Alakamisy 30 Desambra 2027

Raha mbola nitsodrano azy Izy (Jesosy), dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina … sady faly indrindra. Lioka 24:51-52

Hoy [Jesosy] : Eny, avy faingana Aho. Apokalypsy 22:20

 

Fampanantenana roa nomen’i Jesosy

Rehefa handeha hanao dia lavitra ny olona iray tiantsika, dia mahafinaritra antsika ny ilazany hoe : „Hiverina aho raha vao azoko atao”, sy anampiany hoe : „Eo am-piandrasana izany dia hifampiantso isika”.

Toy izany koa, nony handao ny mpianany i Jesosy, ho any an-danitra, dia namela fampanantenana roa ho azy ireo. Hany ka faly izy ireo, satria nionona, nody avy tany Betania hiverina any Jerosalema.

Fony mbola teo amin’izy ireo Izy dia nanambara taminy hoe : „Ary raha handeha … Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3). Mbola tsy tanteraka io fampanantenana io, nefa hatrany amin’ireo andalana farany ao amin’ny Baiboly dia aseho antsika ho fampaherezana sy fampiononana : „Eny, avy faingana Aho”. Ry kristiana, sambatra ve isika mieritreritra ny hahita Azy tsy ho ela ? Izy tenany mihitsy tokoa mantsy no ho avy haka antsika, mba hiaraka aminy mandrakizay isika.

Nanome fampanantenana faharoa ny mpianany koa Jesosy : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Izany dia zavamisy tsy takatry ny fisainana tsotran’ny olombelona, nefa raisintsika amin’ny finoana ary afaka iainantsika andavanandro. Jesosy dia any an-danitra, nefa miaraka amintsika eto an-tany koa. Kristiana maro no miaina ny fiarahana mahasoa amin’i Jesosy, na ao anatin’ny fijaliana na ao anatin’ny fifaliana. Mampatoky azy ireo Izy ary mitari-dalana azy ireo.