Zoma 31 Desambra 2027

Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra… Izay manarona famindrampo sy fiantrana anao. Salamo 103:1-4

 

Misaotra !

Misaotra, ry Andriamanitro,

— satria nahary ahy tahaka ny endrikao Ianao, ka amin’izany dia mampisy dikany ny fiainako !

— satria nirahinao ho etỳ an-tany Jesosy Kristy !

— satria maty Izy hamonjy ahy, mba hamafa ny tsy fankatoavako rehetra, izay nampisaraka ahy taminao !

— satria aho ankehitriny mahalala Anao ho Ray, Ray tia, lavorary, mahery, ary mandrakizay !

— noho ny fanampianao tsy miato, ireo famantarana avy aminao, hita maso, na tsy hita nefa hitako amin’ny alalan’ny finoana !

— noho ny fampanantenanao rehetra, sarobidy amiko rehefa mikorontana ny saiko !

— miaritra ireo maha tsy eo ahy, ireo fahalemeko, ireo tsy fanatanterahako izay tokony hataoko !

— mametraka eo anoloako vahaolana tsy noeritreretiko akory !

— manana fikasana tsara ho an’ny hoaviko, satria fantatro fa izay rehetra ho avy aminao dia tsara ho ahy !

— mametraka eny an-dalako olona manampy ahy sy olona hafa afaka hampiako !

— satria nesorinao tamiko ny tahotra ny hampamoahanao ahy, aorianan’ny fahafatesako !

— satria aho nomenao fanantenana fahasambarana lavorary ao „an-tranonao” !

— satria aho hahita maso an’i Jesosy !

— satria ho takatro, indray andro any, ireo zava-miafina maro aoka izany manahirana ny saiko ankehitriny !

Misaotra, ry Andriamanitro ! noho ny maha Ianao Anao, noho izay ataonao ; misaotra ! amin’ny zavatra rehetra.