Alarobia 29 Desambra 2027
Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Romana 13:12
Na tsy hihitsoka anaty fiheverana ny zava-drehetra ho loza amana antambo aza isika, dia tsy afaka ny tsy hahita ny loza mitatao amin’ny planetantsika, loza averimberin’ny haino aman-jery tsy tapaka. Nefa indrindra indrindra, isika dia mahafantatra ireo fampitandremana ambaran’ny Baiboly momba ny hiafaran’izao tontolo ankehitriny izao. Na izany aza anefa, olona maro no ohatra ny te handositra ny zavamisy, ka maka ho hany filamatra ny teny hoe : „Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (Isaia 22:13). Izany dia fomba ilazana hoe ny fahafatesana no fiafaran’ny zava-drehetra, ka aleo hararaotina araka izay tratra ny fahafinaretana rehetra afaka omen’ny fiainana antsika.
Izao anefa ny olana : ny Baiboly koa dia miresaka ny fahafatesana, saingy tsy hoe izany no faran’ny zava-drehetra. Ambarany mazava sy amim-pahefana hoe : „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Nefa hazavainy koa ny fomba ialana amin’io fitsarana io. Hoy Jesosy : „Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy (mino an’Andriamanitra) no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina” (Jaona 5:24). Koa izay mino fa natao ho an’ny tenany io tolotra avy amin’i Jesosy io, dia manana fiainana mandrakizay. Mety handalo fahafatesana izy, nefa mba hiarahany ho mandrakizay amin’i Jesosy. Mandraka androany dia mbola atolotra ny olona rehetra io fiainana io, araka ny fahasoavan’Andriamanitra (Efesiana 2:8).
Eny tokoa ! mihoatra noho ny tany aloha rehetra, ny zava-mitranga ankehitriny, ihabetsahan’ireo fihilangilanan’ny planeta misy antsika, dia fambara mialoha ny „farany” lazain’ny Baiboly. Nefa Andriamanitra dia te hamonjy antsika rehetra, ary mbola maharitra miandry : „Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:7-8).