Asabotsy 30 Oktobra 2027

Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ? Jaona 11:25-26

 

Toejavatra voafehy

Tsara vakina : Jaona 11:1-44

Marary i Lazarosy, ary nandefa hafatra ireo anabaviny, hampahafantatra izany an’i Jesosy, Izay sakaizan’ny fianakaviana. Natoky izy mirahavavy fa ho tonga haingana Izy hanasitrana azy, raha vao maharay ny hafatra. Tsy niteny ve Izy hoe : „Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany” ? Nefa Jesosy tsy nanao araka izay noheverin’izy ireo. Tsy rototra Izy, nihombo ny aretina, dia maty i Lazarosy. Tena nampivarahontsana ! Ary tao am-pon’izy mirahavavy koa, dia fikorontanana tsy nisy toy izany ! Nandiso fanantenana azy ireo Jesosy, toa tsy niraharaha ny hafatra feno finoana nampitainy !

Tonga ihany Izy nony farany, tsy niala tsiny, tsy nanazava. Nefa niseho teo amin’ny fihetsiny fa tsy nanadino azy mirahavavy Izy ! „Voafehy” ny toejavatra. Marina ny an’i Marta sy Maria, niantehitra taminy. Nefa Jesosy tsy baikoina amin’izay tokony hataony. Mifehy ny zava-mitranga rehetra ny Zanak’Andriamanitra. Manana loharanon-kery Izy, eo amin’izay tsy ahitan’ny olombelona lalana intsony. Dia natsangany velona indray i Lazarosy.

Ry kristiana namana, ianao angamba mitebiteby noho ny olona akaiky anao iray marary. Noresahinao izany ny Tompo, dia nitony ianao. Nefa Izy tsy nanao araka izay nantenainao, dia tonga ny fahafatesana. Saingy tsy fiafarana ny fahafatesana, ho ana kristiana. Rehefa ho tonga ny Tompo haka ny olony rehetra, dia hiantso hivoaka ny fasana ilay olo-malala nandao anao. Ny fitsanganan’ny mpino ho velona indray dia ho porofo fa noresen’ny Tompo ho mandrakizay ny fahafatesana.

Nanambara Izy hoe : „Maty Lazarosy… andeha isika hankany aminy”. Niainga Izy hijoro eo anoloan’olona iray hatsangany velona indray. Isika no ho any amin’ny malalantsika mpino, izay „nodimandry tao amin’i Jesosy” (1 Tesaloniana 4:14). Azo antoka fa hitsangana velona indray izy ireo, tsy ho ela intsony, mba ho fampiononana antsika.