Alahady 31 Oktobra 2027

Vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony. Genesisy 2:7

Ny vovoka dia hiverina amin’ny tany, ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny. Mpitoriteny 12:7

 

Ny fara fonenany

Nahafatatra azy tsara ny olona tao an-tanàna… Mitanjozotra ny olona, mitondra azy any amin’ny „fara fonenany”, araka ny fiteny raikitra. Nefa ve ny fasana hametrahana ny fatiny no lazaina amin’izany ? Tsy efa vatana tsy misy aina intsony ve ilay olona maty ?

Ambaran’ny Baiboly fa ny olona tsirairay dia voarafitra ampahany hita maso : ny vatany, sy ampahany tsy azo tsapain-tanana : ny fanahiny. Lazain’ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony antsika fa rehefa maty ny olona dia „hiverina amin’ny tany” ny vatany, ho vovoka indray. Fa ny fanahiny kosa dia hisy hatrany, mandao ny vatany, ary „hiverina amin’Andriamanitra”. Mandra-pahatonga ny fitsanganana velona indray dia eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy ny fanahin’ny mpino efa maty ; fa ny an’ny tsy mino kosa dia any amin’ny fijalijaliana, lavitra an’Andriamanitra (Lioka 23:43 ; 16:22-23).

Avy eo ny olona rehetra dia hitsangana velona indray, hankeny amin’ny fanahy ny vatana. „Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka” (Asan’ny Apostoly 24:15). Koa tsy ny fasana ametrahana ny vatantsika izany no fara fonenantsika, izay mandritra ny fiainantsika no amaritana azy, arakaraka izay fandavantsika tsy hino an’i Jesosy na fanekentsika hino Azy :

— Ny tsy mino, atao hoe „tsy marina” satria tsy nanaiky an’i Jesosy ho Ilay Mpamonjy mamela heloka azy, dia ho any amin’ny „fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5:29). Ny fara fonenany dia toerana mampivarahontsana, misy fijaliana sy fahalavirana mandrakizay an’Andriamanitra.

— Ny mpino, atao hoe „marina” satria voafafan’ny ran’ny Kristy ny fahotany rehetra, dia ho any amin’ny „fitsanganana ho fiainana”. Ny fara fonenany dia ny tranon’ny Ray, ao amina fahasambarana mandrakizay miaraka amin’i Jesosy.