Zoma 29 Oktobra 2027
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy : Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Levitikosy 19:31
Tandremo fandrao misy [olona] mahalasa anareo ho babony amin’ny … famitahana foana. Kolosiana 2:8
Ny finoanoam-poana dia ny finoana fa misy asa, na famantarana, na zavatra miteraka vokatra tsara na ratsy, amina fomba miafina. Miseho amina endrika marobe samihafa ny finoanoam-poana. Araka izany ny olona sasantsasany dia matahotra handalo ao ambanina tohatra, na mamihina rantsantanana, na „mikasika hazo” mba ho zavatra tsara no mitranga aminy, na koa manome lanja tsy mitombina ho an’ny isa 13. Ny hafa mamaky ny tononandro na mitodika amin’ny fanandroana, ny majia mainty, ny fanaovana sikidy, na ny famosaviana. Misy manao ireny zavatra ireny, nefa tsy tena mino azy ireny akory, fa „sao dia mba …” ; ny hafa kosa tena resy lahatra, manao azy ireny.
Ny Baiboly dia manameloka mazava ireny fanao ireny, izay toa mahasintona, noho ny fisehony mihoatra ny voajanahary na mitondra soa, nefa dia tena mampidi-doza, satria manokatra varavarana ho an’ny hery mahatarika ananan’ny devoly, izay mampiasa azy ireny hahatonga ny olona hanalavitra an’Andriamanitra. Toy ny fanompoan-tsampy ihany izy ireny. Ny apostoly Petera dia mampitandrina mafy antsika hoe : „Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany” (1 Petera 5:8).
Inona no tokony hataontsika ? araka ny maha kristiana antsika. Tsy mirona na oviana na oviana ho liana amin’ny tontolo miafina, na dia tsy amin’ny fomba mivantana aza. Manafoana tsy ho amin’ny fitenintsika, ireo teny mitory finoanoam-poana, toa tsy maninona raha jerena maimaika, nefa manana dikany tena mandoza. Tsy miankina amina fombafomban’olombelona ny finoantsika, fa amin’Ilay hany Andriamanitra marina, nanome antsika ny fiainana mandrakizay. Mifototra aminy irery ihany ny finoantsika. „Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko ; avy aminy ny famonjena (na ny fanafahana) ahy” (Salamo 62:1).