Alahady 10 Oktobra 2027

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny (nomen’i Jesosy) hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12

Ianareo… nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Romana 8:15-16

 

Zanany aho

Ilay Raiko any an-danitra dia mikarakara tsara ahy, Miaro ny fanahiko Izy ary mampitony ny hatairako. Mialoka eo ambanin’ny alok’Ilay Andriamanitra Tsitoha aho, Tsy matahotra na inona na inona : zanany aho !

 

Amin’ny alalan’i Jesosy irery no andraisako izany zo izany : Tamin’ny sorona nataony izay nekeko tamin’ny finoana, Tonga Raiko Andriamanitra, ka hoy aho am-patokiana : „Fantatro ankehitriny fa zanany aho !”

 

Tsy misy maharombaka ahy amin’ny tanany mahery ; Tsia, tsy hahaisotra ahy eo na oviana na oviana i Satana ; Miambina ahy am-pitiavana andro aman’alina Andriamanitra, Mampahatsiahy ahy ny Fanahiny hoe : „Zanany ianao !”

 

Noho ny fiambenany sy ny fiarovany, Noho ny famindrampony sy ny fampiononany, Dia mampitombo sy mampianatra ahy am-paharetana Izy, Ary miteny amiko hoe : „Mahereza, zanako ianao !”

 

O ! ry Andriamanitro sady Raiko, fahasambarana sy fiadanana lavorary ! Tsy ho ela eo anilanao, eny, no hibanjinako An’i Jesosy Mpamonjiko, izay lehibe aoka izany ny fitiavany : Ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no nanao ahy ho zanany !
Alain S.