Alatsinainy 11 Oktobra 2027
Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao ; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô… Tsy manadino ny fitarainany Izy (Jehovah). Salamo 9:10-12
Aza matahotra ; minoa fotsiny ihany. Lioka 8:50
Rehefa miantso dokotera hijery marary isika, dia tiantsika ho eo avy hatrany izy. Tantarain’ny Baiboly antsika ny tantaran’i Jairo, izay tonga naka an’i Jesosy mba hanasitrana ny zanany vavitokana roambinofolo taona, narary efa ho faty. Teny an-dalana ny Tompo dia nosakanana vehivavy marary iray, ka tsy maintsy nikarakara azy io. Nandritra izany fotoana izany dia maty ilay zazavavy. Nasain’i Jesosy natoky Azy ny rain’ilay zazavavy, na izany aza ; avy eo Izy dia nankeo amin-drazazavavy ary nanangana azy ho velona indray.
Indraindray dia misy zava-manahirana mihasarotra, na entintsika am-bavaka aza ; noho izany isika dia mety ho very hevitra sy misento tahaka an’i Joba, ka hanao hoe : „Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy (Andriamanitra), ka ho tonga any amin’ny fitoerany aza ! … Izy indrindra no hihaino ahy” (23:3, 6). Mety nanadino ny antsontsika ve ny Tompo ? Efa taonjato maro lasa no nampandrenesany antsika ny valinteniny, mba hampatoky antsika : „Nahoana no miteny ianao… hoe : Miafina tsy hitan’i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy ? Tsy fantatrao va ? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany ? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy” (Isaia 40:27-28). Hoy koa ny Kristy amintsika : „Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao” (Isaia 49:15-16). Ny mariky ny fantsika eny amin’ny tanan’ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ny fitiavana tsy hita lany nitiavany antsika, rehefa milaza amintsika Izy, tahaka ny tamin’i Jairo fahiny, mba hanana faharetana. Ndao hiandry aminy ny zavatra rehetra ; mahafantatra ny ataony Izy, Izay miteny hoe : „Izaho tsy handao anao mihitsy, na hahafoy anao akory” (Hebreo 13:5).