Asabotsy 9 Oktobra 2027
Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra… Ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika. 1 Jaona 3:1-2
Fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:32
Deland McCullough dia nisy nanangana fony izy teraka tamin’ny taona 1972, ary tsy nahafantatra ny ray aman-dreniny. Vetivety monja dia nisaraka ny ray aman-dreny nanangana azy. Nanjary mpilalao baolina kitra amerikana izy, ary nanazatra azy i Sherman Smith, nifandraisany akaiky tamin’ny fitiavana sy fanajana azy, ka nanjary ilay ray izay tsy mba nananany hatrizay. Nefa naniry hahafantatra ny ray aman-dreny niteraka azy i Deland, ary nahita ny reniny tamin’ny taona 2017, rehefa nanao fikarohana nandritra ny taona maro. Nanontaniany azy hoe iza ny rainy, ka talanjona izy tamin’ny valinteniny : „Sherman Smith no rainao”. Rehefa nihaona izy sy Sherman, dia talanjona koa i Sherman. Tsy nahafantatra izy hoe nanan-janaka. Namihina azy izy, sady somary kevoka kely niantso azy hoe : „Ny zanako”, teny mbola tsy ren’i Deland navoakan’ny vavana ray.
Manohina antsika izany tantara izany : Deland dia nahalala an’i Sherman ary tena nanaja azy, nefa tsy nahafantatra hoe izy no rainy. Ry kristiana namana, mino an’Andriamanitra isika, ary mivavaka aminy aza, nefa mety tsy tonga saina akory hoe zanany ! Izany no tena maha isika antsika : zanakavavy sy zanakalahin’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Jaona : „Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra”. Dia hoy koa izy : „Ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika” (teny androany).
Raha mino an’i Jesosy ianao, dia Rainao koa ny Rainy. Mahatsapa tena ho kamboty ve ianao ? manirery eto amin’izao tontolo izao ? Ny marina dia hoe manana Ray isika —Ilay hany lavorary- ary tiany ny miantso antsika hoe zanany. Ndao hiaina araka ny maha zanak’Andriamanitra antsika !