Zoma 8 Oktobra 2027
Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resy lahatry ny anatra ataony ianao ; fa izay tian’i Jehovah no faiziny, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny. Hebreo 12:5-6
Ny teny hoe „famaizana” dia avy amin’ny teny latina hoe „fianarana”, izay midika hoe „fanabeazana”. Mety hanafay antsika Andriamanitra, araka ny maha Ray Azy, ka hampiaina antsika fitsapana manefy antsika, ohatra. Misy fihetsika telo manoloana ny famaizan’Andriamanitra.
Mety hanamavo izany isika, raha tsy mahita ny tanan’Andriamanitra miasa, fa fitsapana tsy mitombina na fotoan-tsarotra tsy maintsy andalovana. Nefa ny kristiana dia tokony hianatra hoe ny zavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainany dia zavatra avelan’Andriamanitra hitranga.
Mety ho kivy koa isika, mieritreritra fa mihoatra noho ny herintsika ilay fitsapana. Tsy hitantsika ao ny fon’Ilay Ray Izay tia antsika, Izay maniry ny „handraisantsika ny fahamasinany” (Hebreo 12:10). Nefa raha mahita ny fony isika, dia tsy hahakivy antsika ny fitsapana. Tsy hamela antsika hozahan-toetra mihoatra noho izay zakantsika Izy, fa miaraka amin’ny fitsapana dia asiany lalana hahazakantsika izany (jereo 1 Korintiana 10:13). Ny famaizan’Andriamanitra dia porofon’ny fitiavany (Soratra Masina androany).
Farany dia mety ho voatefy isika (voatarika, voavoatra), satria voakasika lalina tamin’ny famaizan’Andriamanitra, ka avy eo izany dia „mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana” (Hebreo 12:11).
Tokony hiaina amin’ny fo faly sy feno fiadanana isika, amin’ny fotoana rehetra. Nefa tokony hahafantatra fa izay tian’Andriamanitra ho antsika dia tsara kokoa noho izay irintsika. Amin’izay ny famaizana dia ekena am-pahatoniana, na dia miteraka alahelo aza. Ary ampidirin’ny Raintsika ao amin’ny fiadanany mihitsy isika.