Alakamisy 7 Oktobra 2027
Nisy vehivavy … nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra… Nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony (tongotr’i Jesosy) izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra. Lioka 7:37-38
Simona fariseo dia lehilahy manan-kaja. Na izany aza anefa, rehefa nanasa an’i Jesosy tany aminy izy, dia tsy mba nieritreritra hanasa ny tongony, araka ny fanao ho mariky ny fanajana olona asaina. Indro anefa nisy vehivavy malaza ho ratsy fitondrantena niditra tao an-trano, ary nitomany teo an-tongotr’i Jesosy sady nandraraka zava-manitra sarobidy.
Tsy nolazaina ny anaran’io vehivavy io, fa notondroina fotsiny izy hoe „vehivavy mpanota”. Izany no fijerin’i Simona azy, ary tafintohina izy nahita fa tsy nanilika azy Jesosy. Dia noheveriny fa tsy nahafantatra azy Izy, ka noho izany tsy mpaminany. Nefa Jesosy mahafantatra tsara hoe iza io vehivavy io, ary mahafantatra ihany koa ny eritreritr’i Simona. Koa nataony takatr’i Simona fa ny fihetsik’io vehivavy io dia nanome Azy haja be lavitra noho ny fanasany. Izy io dia nahatsapa ny tsy fahamendrehany sy izay rehetra nataon’i Jesosy ho azy. Simona kosa, fenon’ny fiheveran-tenany ho zavatra, ka tsy mba nampiseho fahalalam-pomba akory.
Io vehivavy io dia ohatra mampihetsi-po : ny zava-manitra nararany teo an-tongotry ny Tompo dia maneho fitiavana sy fitsaohana. Ny ranomasony dia mitory fibebahana. Ny fihetsiny maneho fahasahiana sady feno fanetrentena dia ahitana fa resy lahatra izy hoe vonona Jesosy handray azy. Tsy diso hevitra izy : „Voavela ny helokao… Ny finoanao efa namonjy anao, mandehana soa aman-tsara”. Teny tena mampahery !
„Tompo ô, ampio aho hanatona Anao, am-panetrentena sy am-patokiana, mahatsapa ireo fahadisoako, nefa mahafantatra fa tianao. Ampio aho haneho aminao ny fifaliako navela heloka sy ny fiderako.”