Alakamisy 30 Septambra 2027
Ny Tompo no hanome famantarana ho anareo : Indro, hanana anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataony hoe Imanoela. Isaia 7:14
Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao. Lioka 1:42
Maria, tovovavy tso-piaina, no nofidin’Andriamanitra hiteraka ny Mesia : „Maria niteraka an’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy” (Matio 1:16). Noho izany dia izy no nahatanterahan’ny teny faminaniana nambara tamin’ny menarana ao amin’ny Genesisy 3:15, hoe : „Izy (ilay taranaky ny vehivavy) hanorotoro ny lohanao”. Jesosy, Ilay zanak’i Maria tokoa mantsy no handresy an’i Satana, satria nanao sorona ny tenany teo amin’ny hazofijaliana. Koa izay mino Azy dia afaka amin’ny ota sy ny fahefan’i Satana.
Rehefa nanambara tamin’i Maria ny anjely fa izy no ho renin’Ilay Zanak’Andriamanitra, nefa izy mbola virijina, dia namaly izy hoe : „Inty ny ankizivavin’ny Tompo ; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao” (Lioka 1:38). Io valinteny io dia manome antsika topimaso momba ny finoan’ilay tovovavy. Na hita aza fa toa zavatra tsy manara-pitsipika no nambara taminy, dia tsy nisalasala izy, na niady hevitra tamin’ny tenin’ny anjely. Nampiseho fanoavana ny sitrapon’Andriamanitra izy. Simeona anefa nilaza taminy hoe : „Ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra” (Lioka 2:35). Tsy maintsy hiaina fahoriana tsy roa aman-tany tokoa mantsy izy : hahita ilay zanany homboana eo amin’ny hazofijaliana.
Marihintsika rahateo fa nokarakarain’i Jesosy manokana izy, satria talohan’ny nahafatesany dia nankininy tamin’ny iray amin’ny mpianatra (Jaona 19:26-27). Ny filazana farany an’i Maria ao amin’ny Baiboly dia izy miara-mivavaka amin’ny mpino (Asan’ny Apostoly 1:14).
Maria dia ohatra iray amin’ny fomba ahafahan’Andriamanitra mampiasa, na ireo izay tsotra indrindra amintsika aza, sy amin’ny fikarakarany ireo matoky Azy.
(hitohy isaky ny alakamisy)