Alarobia 29 Septambra 2027
Iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato ? Lioka 11:11
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zavatsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra ! Matio 7:11
Nitsangantsangana tany an’ala i Arthur kely sy ny rainy. Trotroin’ny rainy izy no nahatazana tampoka voankazo kely menamena tsara tarehy, teo amina kirihitra iray, ary nanatsotra ny tanany haka ireo voankazo mahatehihinana. Nefa nahataky ny rainy avy hatrany izy, satria voankazo misy poizina io ka hankarary azy. Mbola tsy ampy roa taona i Arthur, kely loatra ka tsy mahatakatra izany. Nitomany izy, ary tezitra tamin’ny rainy. Amin’izao taonany izao izy dia mbola tsy mahay manavaka voarointsaka tsara tarehy sy voankazo tsy azo hanina. Nanoroka azy tam-pitiavana ny rainy mba ho fantany fa tia azy, ary nanandrana nanary dia azy. Hoy fotsiny izy taminy : „Arthur a ! tiako loatra ianao, ka tsy afaka avelako hihinana io voankazo io”.
Toejavatra fahita loatra izany, iainan’ny ray aman-dreny rehetra : zanaka mitalaho mba homena zavatra iriny fatratra, nefa tsy mahasoa azy. Ary satria indrindra tiantsika izy, dia lavintsika ny fangatahany.
Ry kristiana namana, ahoana no andraisantsika ireo fandavan’Ilay Raintsika any an-danitra ? Hikomy tahaka an’i Arthur ve isika ? Tena matetika isika no tsy mahatakatra ny fandavan’Andriamanitra, nefa manana antony tsy takatsika Izy. Ndao hatoky Azy. Fantany izay mahasoa antsika, ary tsy misy na inona na inona laviny tsy ho antsika, satria hoe mahafinaritra Azy fotsiny ny tsy hanome izay angatahintsika. Aza mikomy isika na miahiahy ny amin’ny hatsaram-pony, fa ndao hieritreritra ny lazainy antsika hoe : „Anaka, tiako loatra ianao, ka tsy omeko an’io”.