Zoma 1 Oktobra 2027
Mihainoa Ahy, ianareo madi-po, izay lavitra ny fahamarinana ! Isaia 46:12
Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29
Nisy mpigadra iray naharay isan-taona alimanaka toy ity eto ambany masonao ity, nefa tsy mba namaky na dia takila iray tamin’izany aza ; notehiriziny fotsiny niaraka tamin’ireo bokiny hafa.
Indray andro izy dia natoka-monina satria nanao zavatra tena ratsy, ka tsy azo novangina ary tsy nahazo nifandray tamin’ireo mpiara-voafonja taminy. Azo nomena boky tokana izy, ary nangataka tamin’ny fianakaviany hanome boky iray azy. Nandefa alimanaka iray ho azy ny reniny. Hitany avy hatrany fa ilay boky kely tsy noraharahainy ela ilay izy. Fantany fa mirakitra teny avy ao amin’ny Baiboly, tanisaina araka ny maha Tenin’Andriamanitra azy. Novakiny tsara ilay izy, ka nahatonga azy hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, sy fanafahana ny fanahiny noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.
Mahari-po Andriamanitra, ary mangoraka antsika, nefa toy inona moa ny tsy firaharahantsika ! Tsy tezitra Izy, fa miasa ao anatin’ny fon’ny olona, na mafy toa inona aza io fo io, ary indraindray mandritra ny taona maro. Ny Teniny, izay tahaka ny kanonta, dia hikapoka ela araka izay ilàna izany, mandra-pahatorotoro ny fo mafy.
Ry mpamaky malala, aza miandry ho tonga eo amina toerana faraidiny vao hametraka ny fiainanao amin’Andriamanitra. Na tsy manameloka anao mihitsy aza ny fiarahamonina, dia mila ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ianao. Minoa an’i Jesosy, raiso Izy anio dia anio ho Mpamonjinao. Nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana Izy hamonjy anao, ary miandry anao. Noho ny sorona nataony dia afaka mihavana amin’Andriamanitra sy manomboka fiainam-baovao ianao, na aiza na aiza misy anao.
„Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 4:7).