Alatsinainy 13 Septambra 2027

Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy ; dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitoriteny sady hanana fahefana hamoaka ny demonia. Marka 3:13-15

 

Miaraka amin’i Jesosy (2)

Ilay jiolahy efa ho faty nangataka tamin’i Jesosy dia nahare ny valinteny mahafinaritra hoe : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”. Nefa tsy aorianan’ny fahafatesana ihany isika no afaka miaraka amin’i Jesosy, fa dieny izao. Ary io no laharan-kamehana ! Teo am-piandohan’ny asa fanompoany ampahibemaso, Jesosy dia nisafidy lehilahy roa ambinifolo. Inona no tanjony ? mba haniraka azy ireo hitoriteny ve ? mba hanao fanasitranana ve ? Marina avokoa izany rehetra izany, nefa ny Teny androany dia milaza amintsika, aloha, hoe : „tiany hankeo aminy”.

Ahoana ny fomba iarahana amin’i Jesosy ankehitriny ? Amin’ny alalan’ny finoana, mametraka ny fitokiantsika aminy. Isika izay mino an’i Jesosy, ndao hanokana „fifamotoanana” mba hiarahana aminy, mba hihainoana Azy. Ndao haka fotoana hamakiana ny Baiboly, hivavahana. Afaka mifanena aminy isika mandritra ny fitsangantsanganana fandinihana iray, ao amina hira iray, rehefa mifampizara Teny ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa, na mandeha any amina toeram-pivavahana… Maro aoka izany ny fomba ahafahana miaraka amin’i Jesosy.

Izany fifanakaikezana aminy izany dia hanova antsika. Tamin’ny vanimpotoana niandohan’ny Fiangonana, dia fantatry ny olona ry Petera sy Jaona, fa „efa niaraka tamin’i Jesosy” (Asan’ny Apostoly 4:13). Rehefa mifanerasera amin’olona iray ianao, dia mahatarika anao ny fitondrantenany. Araka izany, ny hoe manatona an’i Jesosy dia mianatra mahafantatra Ilay lehilahy „malemy fanahy sady tsy miavona am-po” (Matio 11:29).

Ndao hahavatra mitoetra eo anilan’i Jesosy, satria fantatsika fa Izy dia mitoetra eo anilantsika : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva”, hoy ny nampanantenainy ireo mpianany, talohan’ny niakarany any an-danitra (Matio 28:20).

(tapitra)