Alahady 12 Septambra 2027

(Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy nibebaka :) Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:43

 

Miaraka amin’i Jesosy (1)

Tsara vakina : Lioka 23:33-43

Io tantara io dia ohatra manaitra ahitantsika izay afaka tanterahin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Olon-dratsy nolavin’ny fiarahamonina noho ny fahadisoany no miteny, lehilahy iray efa ho faty. Irery izy, manohitra ny olona rehetra, niaro an’i Jesosy. Nitodika tamin’Ilay notsiratsirainy fotoana fohy talohan’izao izy (Marka 15:32) ; mampihetsi-po ny fangatahany taminy, hoe : „Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”.

Ahoana no nahafantarany fa Jesosy dia Mpanjaka ? Angamba izy nahare ny fanarabian’ireo miaramila an’i Jesosy hoe : „Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao”. Dia tonga saina izy fa Jesosy no Ilay Mesia, Ilay Mpanjakan’ny Jiosy nambaran’ny mpaminany. Nino Azy izy, na dia teo aza ny toejava-doza, ary nijoro ho vavolombelon’ny finoany.

Dia hoy Jesosy taminy : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”. Nanana izany fampanantenana mahafinaritra izany tao anatin’ny fony ilay olon-dratsy. Toa azy koa, raha mino isika fa maty noho ireo fahotantsika Jesosy, dia manana ny fampanantenana ho any an-danitra miaraka aminy. Mety hanana fisalasalana isika indraindray. Nefa dia afaka mitoky amina fampanantenana iray hafa nomen’i Jesosy, hoe : „Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:2-3).

(hitohy)