Talata 14 Septambra 2027
Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1
Indro misy vorona iray lasa nanidina. Misy mahagaga ve izany ? Nefa ndao hieritreritra kely : ahoana no ahafahan’ny vorona manidina ? Miantehitra amina singa tsy hita maso, dia ny rivotra, ny elany. Tsy matahotra ilay vorona, miantoraka eo amin’io habakabaka io ary mizotra araka izay tiany : miakatra, midina, satria entin’ny rivotra.
Izany ka sary mahafinaritra maneho ny finoana ! Isika ihany koa dia taomina hitoky amin-javatra tsy hita maso : „Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (andinin-tSoratra Masina androany).
Eo amin’ny fiainany, matetika ny olona dia tsy maintsy miroso tsy mahita ny eo alohany. Fa isika mpino kosa dia mahazo antoka fa Andriamanitra dia miaro antsika sy manomana ny zavatra rehetra eo anoloantsika. Ohatra tsara maneho izany i Abrahama : „Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova ; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany” (Hebreo 11:8).
„Ry kely finoana”, hoy Jesosy, imbetsaka, tamin’ny mpianany. Nefa rehefa nanaraka Azy ny mpianany dia nanatri-maso ireo fahagagana nataony sy ny heriny. Ary na izany aza, dia mbola nisalasala ihany izy ireo matetika.
Ary isika ? Aza mihevitra ho tsara kokoa noho izy ireo ! Isika anefa ankehitriny dia manana ny Baiboly sy ny Fanahin’Andriamanitra, mba hanampy antsika. Ka toy ireo mpianatra fahiny, ndao hivavaka hoe : Tompo ô, „ampitomboy ny finoanay” (Lioka 17:5). Izy mihitsy no hitarika antsika hiaina sy hitozo ao amina lalam-pinoana.