Talata 7 Septambra 2027

Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindrampony. Salamo 147:11

Tsy manan-tahotra ny fitiavana ; fa ny fitiavana tanteraka (ny fitiavana lavorary) mandroaka ny tahotra. 1 Jaona 4:18

 

Inona no tokony hatahorantsika ?

Ny fiteny hoe „matahotra an’Andriamanitra” dia mety tsy ho takatra tsara ankehitriny : tokony hangorohoro eo anatrehany ve isika ?

Ny mpino dia tsy matahotra an’Andriamanitra. Izy mantsy dia nifanena tamin’Ilay Andriamanitra fitiavana, Izay namela ireo fahotany, noho ny fahasoavany ; koa tsy Mpitsara azy intsony Izy. Mihoatra noho izany aza, Andriamanitra dia nanangana azy ho zanaka, ary tia azy araka izany. Toy izany ny fomba idinan’ny fiadanan’Andriamanitra ao anatin’ny fony.

Tokony hatahotra an’izao tontolo izao ve ny mpino ? Eny, satria mety hiharan’ny fankahalany, ireo fandrahonany, ny herisetrany. Nefa „Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra ?… Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:35, 37). Ny kristiana enjehina dia mijoro ho vavolombelon’ny fiadanana anaty vokatr’izany, fiadanana mirotsaka ao am-pony, rehefa tsy maintsy miantehitra tanteraka amin’Andriamanitra izy, mba ho fiarovana azy.

Nefa misy anton-tahotra iray asehon’ny Baiboly ho ara-drariny, ary ilaina mihitsy aza, mba hadio fiaina eo anatrehan’Andriamanitra : izany dia ny tahotra ny hanalavitra Azy sy hanaiky ho latsaka ao amin’„ny ota, izay malaky mahazo antsika” (Hebreo 12:1), toy ny fanaon’ireo giladiatera tany Roma fahizay, izay nihazona ny fahavalony tsy ho afa-mihetsika ao anaty harato. Io tahotra mahasoa io, tahotra hanao izay tsy ankasitrahin’Andriamanitra, izany fahamalinana eo amin’ny fitondrantenantsika izany, no tondroavaratra azo antoka ho ana fiaina manaja an’Andriamanitra. Ny ohatra ho antsika dia ny fiainan’i Jesosy, fiainana notarihina fankatoavana sy fitiavana lavorary ny Rainy. „Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako” (Salamo 40:8).