Alarobia 8 Septambra 2027
Jehovah no nitarainako tamin’ny fahoriako, dia namaly ahy Izy. Salamo 120:1
Nijoro ho vavolombelona i Alexis : „Nobeazina tao amina faritry ny tanàna nanana tombontsoa manokana aho, tsy nanan-java-nahory ; saingy tsy azo natao ny miresaka an’Andriamanitra tao an-trano. Nony 11 taona teo ho eo aho dia nifanolana mafy tamin’ny raiko, toy ny zanany rehetra rahateo. Ary vetivety foana aho dia nifoka sigara, avy eo nidoroka zava-mahadomelina. Nankahala ny tenako aho, ary nanomboka nanimba tena.
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, teo amin’ny faha-16 na 17 taonako aho dia nanjary mpirenireny teny an-dalana. Nanao hadalana aho, ka noroahin’ny raiko. Tamin’io hariva io aho dia tsy nanan-trano intsony. Ary sambany teo amin’ny fiainako aho no niantso an’Andriamanitra, hoe : „Raha misy Ianao, raha afaka manao zavatra ho ahy, dia ovay ny fiainako !” Niantso ny lanitra aho, satria tonga saina fa tsy afaka niantehitra amin’ny fianakaviako, ary tsy nanana hoavy. Antsoantso famoizampo izany. Tsaroako toy ny hoe vao omaly. Tamin’io hariva io dia fantatro fa re ny vavaka nataoko. Tsy vavaka tsianjery, fa hiakan’ny fo.
Fotoana vitsivitsy tatỳ aoriana aho teny an-tsena dia nifanena tamina lehilahy iray. Niresaka fotoana fohy izahay, ary noresahany ahy ny amin’Andriamanitra. Notapahiko ny teniny : „Izaho tsy mahafantatra na inona na inona momba an’i Jesosy, na Maria, na ny Baiboly”. Namaly ahy izy hoe : „Olona iray no tokony ho fantatra, dia Jesosy Kristy”. Nandritra ny roa taona aho dia niara-nihanihany tamin’ny namako, momba io tenin-dralehilahy io. Hoy aho anakampo : „Hitondra inona ho ahy moa ny hahafantatra olona iray maty 2000 taona lasa izay ?” Mbola tsy nahafantatra aho hoe efa nitsangana velona indray koa Jesosy, ary velona ankehitriny !”
(hitohy)