Alatsinainy 6 Septambra 2027

Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. Romana 2:4

Izao no lazain’i Jehovah Tompo : … Homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ezekiela 36:22, 26

 

Fiovan’ny toetrandro

Mampitebiteby ny fiovan’ny toetrandro, ary tsy tambo isaina ny olona manoratra momba izany. Ny mpino dia mahafantatra fa Andriamanitra, Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia hiditra an-tsehatra tsy ho ela mba hanavao ny voary ampijalian’ny olombelona ankehitriny noho ny otany (Romana 8:20-22).

Alohan’ny zavatra rehetra, ny Tompo dia hampiakatra tsy ho eto an-tany intsony ny Fiangonany, izay voarafitr’ireo rehetra manana ny ain’Andriamanitra. Dia hisy fitsarana hihatra amin’izao tontolo izao, satria nandà an’i Jesosy Kristy izy. Avy eo ny Kristy dia handray an-tanana ny fitantanana ny tany manontolo, ary hametraka fanjakana fahamarinana sy fiadanana. Tsy ny toetrandro ihany no hiova, fa „ny tany ho heniky ny fahalalana an’i Jehovah” (Isaia 11:9).

Io mpaminany io ihany koa no nanambara izao fiovan-javatra lehibe hataon’Andriamanitra eto an-tany izao : „Hampiboika renirano ao amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho, ary loharano ao amin’ny lohasaha ; hanao ny efitra ho farihy Aho… Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho” (Isaia 41:18-19).

Ankehitriny, ny tena fanovana tian’Andriamanitra hatao, dia ny ao am-pon’ny isambatanolona. Jesosy Kristy dia nampahafantatra an’Andriamanitra ao amin’ny fitiavany sy ny fahamarinany. Izay mino Azy dia voavela heloka, ary mahazo fiainana vaovao ahafahany mifandray amin’Andriamanitra : „Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Dia miova filamatra ny mpino, mba tsy hiaina ho an’ny tenany intsony, fa ho an’Ilay maty sy nitsangana velona indray hamonjy azy (2 Korintiana 5:15). Fiovana anie izany ka fiovana e !