Alahady 28 Desambra 2025
Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe. Salamo 106:21
Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny ; katsaho mandrakariva ny tavany. Tsarovy ny asa mahagaga nataony. Salamo 105:4-5
Ny Baiboly dia manoritsoritra ny fanandevozana ny vahoaka Israely tany Egypta, teo ambany fanagejan’ny Farao. Niantsoantso an’Andriamanitra izy ireo, ka nanirahany an’i Mosesy ho any amin’izy ireo. Ary Mosesy nampita tamin’ny Farao ny baiko avy amin’Andriamanitra, mba hanafaka ny vahoakany. Nefa nanohitra izany ilay andria-manjaka. Dia nandefa loza nifanesisesy Andriamanitra : sahona nirongatra, avy eo moka, lalitra, sns. Rehefa mbola teo ny loza amin’antambo, dia vonona ny Farao hanao izay azo atao rehetra, mba hampitsahatra ny fahoriana nanjo ny fireneny. Niaiky izy fa nanota, ary nitalaho tamin’i Mosesy hangataka an’Andriamanitra mba hampitsahatra ny loza. Nefa raha vao nisy fampitoniana, dia nanamafy ny fony izy ary nandà tsy hankatò. Niverimberina imbetsaka io toejavatra io (Eksodosy 8:4-11 ; 9:23-35 ; 10:16-20…).
Ny fihetsiky ny Farao dia matetika manamarika ny toetran’ny olona eto amin’ity tontolo manohitra an’Andriamanitra ity. Rehefa ao anatin’ny fahoriana dia miantso vonjy amin’Andriamanitra. Rehefa teren’ny toejava-mitranga, dia vonona hampanantena izao rehetra izao : fiovam-piaina, fiverenana aminy, sns. Ary heverina fa tokony hamonjy antsika Andriamanitra, na dia atao toy ny tsy misy aza isanandro. Nefa raha vao afa-doza, dia manadino ny toky nomena, miverina amin’ny fiainana taloha indray, ary mihamafy fo.
Na inona na inona anefa mitranga, dia tia antsika Andriamanitra. Raha toa Izy mamaly ny antsontsika am-paharetana sy an-kamorampo, dia aza manao toy ny Farao isika : „Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafisan’ny Egyptiana sy Farao ny fony ?” (1 Samoela 6:6). Miantso antsika Andriamanitra. Aza manohitra Azy isika, fa andao hanokatra aminy ny fontsika.
(hitohy)