Zoma 5 Desambra 2025
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Ohabolana 28:13
Manalavira izay teny lainga. Eksodosy 23:7
Ny lainga dia fahotana miverina matetika izaitsizy ! Mba hanamaivanana io fahotana io, dia noforonina ny voankevitra toy ny hoe : lainga noho ny tsy fahatadidiana, lainga noho ny fahalalam-pomba, ary tonga mihitsy, aza, hatramin’ny fiteny tsy mety hoe lainga masina… Izany dia mitarika ho amin’ny fanafenana, tsy fahitsiana, fitaka. Apetraky ny Baiboly mazava tsara fa ny lainga dia mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra, tahaka izay heloka bevava ratsy indrindra. Araka izany ny mpandainga dia tanisaina ao amin’ny lisitry ny mpanota very, miaraka amina olona nanao fahotana mety hotsaraintsika hoe ratsy kokoa : „Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy, ary izay rehetra tia lainga sady mandainga” (Apokalypsy 22:15).
Ry kristiana, nino ny Tompo Jesosy isika, Izy no Mpamonjintsika ary te ho Tompontsika. Tsy voaro tsy hanota mandainga anefa isika : ny fontsika amin’ny maha olona, raha tsy mailo isika, dia vonona mandrakariva hamoa io voa ratsy io. Marina fa tsy voahozongozona tsy akory ny famonjena mandrakizay efa anjaran’ny mpino, nefa ny lainga dia misy akony ratsy lehibe eo amin’ny fiombonany amin’Andriamanitra sy ny fijoroany ampahibemaso ho vavolombelona. Izany no mahatonga ny apostoly Paoly hampirisika ny mpino tsy hifanisy ratsy : „Esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra ; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny (samy rantsambatan’ny) namantsika avokoa isika” (Efesiana 4:25). „Aza mifandainga ianareo” (Kolosiana 3:9).
Rehefa tsy nahitsy isika teo amin’ny fitenintsika, dia aoka hiaiky izany, manana antoka fa „raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).