Alakamisy 4 Desambra 2025
Andriamanitra tokana ihany [no] hendry. Romana 16:27
Manao izay sitrapony… Izy ; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe : Inona no ataonao ? Daniela 4:32
Ny Ray dia tia anareo. Jaona 16:27
Nisy lehilahy namana, kristiana vao avy namoy ny vadiny mbola tanora, izay narary sy nangirifiry nandritra ny fotoana ela. Tena tahaka taramasoandro mihitsy io rahalahy io, tsy hay tsy ho hita ny fifaliany amin’ny maha kristiana azy. Tamin’ny fomba ahoana no niainany ireo volana maro nandalovany fitsapana ary nifandimbiasana fanantenana sy ny hadisoam-panantenana ? Ahoana izao no hanekeny ny nakan’Andriamanitra ilay vady malalany ? Namana marobe no nivavaka ho an’ny vadiny, sy nanantena ny hahasitranany ! Hikomy ve izy ? Tamin’ny fotoana voalohany nahitanay azy taorianan’ny fahoriana nidona taminy, dia feno fiadanana sy fanoavana izy.
„Ny tena nanohana ahy tao anatin’izay volana vitsivitsy farany izay, hoy izy taminay, dia ny niezahako tsy hampisaraka na oviana na oviana ny fahendrena sy fiandrianan’Andriamanitra amin’ny fitiavany. Raha mihevitra ny fahendreny sy fiandrianany fotsiny, dia ketraka. Ohatra ny hoe tsy rariny ny fitsapana, ary toa tsy mifaditra ovana sy tsy takatry ny saina mihitsy aza. Nefa ny fitiavany dia mitoetra ho zavamisy tsy mihontsina sady mampahery.
Raha tsy mihevitra afa-tsy ny fitiavany, dia toa mifanohitra amin’izany ny asan’ny fahendreny sy ny fiandrianany. Tia antsika Andriamanitra, marina izany, nefa hendry lavitra noho isika Izy, ary manana ny antony lavorary hanaovany zavatra iray. Feno fiandrianana Izy ary miasa, ka tsy azon’iza na iza itenenana hoe : „Inona no ataonao ?”
Fahendrena, fiandrianana, fitiavana, miaraka marina ireo telo ireo, ary nifikitra aho, nomban’ny fanampiany, nihazona tato an-tsaiko ny fifandanjan’ireo telo ireo.”
Mora ny mamelabelatra hevitra amin’ireo lohahevitra ireo, rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra. Nefa ny fisaintsainan’ny namantsika, tao anatin’ny fitsapana lalina, dia mitory fahamarinana manohina antsika. Ampahereziny isika hatoky tsotra fotsiny an’Andriamanitra, amin’ny fotoana rehetra.