Alarobia 3 Desambra 2025
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra ! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Isaia 45:22
Ianareo… ho vavolombeloko… hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8
Tamin’ny taonjato faha-19 no nitranga ny tantara. Nisy tantsaha irlandey, Andrew Dunn, nikatsaka hatry ny ela ny fihavanana amin’Andriamanitra. Mbola tsy nisy, na iray aza, nahavaly ireo fanontaniany. Indray andro izy dia naharay Testamenta Vaovao, mirakitra ny filazantsara efatra. Liana tamin’ireo tenin’i Jesosy izy, ka namaky ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Lioka ny toko faha-15, izay nilazan’ilay zanaka nania hoe : „Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony”. Izany teny izany dia manoritsoritra ny fiainany, ary mamaly ny hetahetany hihaona amin’Andriamanitra. Koa nandohalika izy, ary nilaza tamin’Andriamanitra ireo teny ireo koa. Natoky izy ka nanohy namaky : „Raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy” (Lioka 15:20).
Nieritreritra izy. Andriamanitra Ray ve liana amin’ny olona mitady Azy ? Mihazakazaka manatona azy ireo mihitsy aza ve Izy ? Tohina mafy i Andrew, ka nitoky tamin’ny famindrampon’Andriamanitra. Nahazo antoka izy fa voavela heloka, ka nameno azy ny fiadanana nokatsahiny efa ela dia ela. Tsy handao azy intsony ny teny iorenan’ny fiadanany, hoe : „Ny ran’i Jesosy… no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).
Vavolombelon’ny fahasoavan’Andriamanitra i Andrew, ka afaka niresaka momba ny herin’ny Filazantsara tamin’ny fianakaviany, sy tamin’ny mpiara-monina aminy. Ny iray tamin’izy ireo, izay fahavalony fahiny, dia nanjary namany akaiky indrindra sy rahalahy ao amin’ny finoana. Tatỳ aoriana dia ankohonana akaiky roambinifolo no nanao koa ny dingan’ny finoana.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manova ny fiainan’izay mihaino izany. Mandraka ankehitriny io Teny io dia mbola mahery toy ny taloha.