Talata 2 Desambra 2025
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony. Salamo 49:7
Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy. 1 Petera 1:18-19
Nanoloana ny valanaretina Covid-19, ny ankamaroan’ny firenena dia nampihiboka ny mponina ao aminy ; ary nampikatso tanteraka ny toekarena izany. Nisy manampahaizana manokana, nikajy ny vola holanian’ny fiarahamonina tandrefana mba hisorohana fahafatesana vokatry ny fihibohana ; dia nilaza izy ireo fa mahatratra euros an-tapitrisany maromaro ny saran’ny ain’olona iray.
Roa arivo taona lasa teo ho eo izay, dia „sekely volafotsy telopolo… ny vola be nanombanany Ahy” (Zakaria 11:12-13). Jodasy dia namadika ny Tompony tamin’io vola variraiventy io. Jesosy anefa, Ilay nataon’ny olona tsinontsinona, dia manana sanda tsy hita lany eo imason’Andriamanitra, Izay nanambara Azy hoe : „Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Na izany aza, dia tsy maintsy nilaza ny apostoly Paoly hoe Andriamanitra „tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy” (Romana 8:32).
Natolotr’Andriamanitra ny Zanany, satria mavesa-danja ao amin’ny fony isika. Nahary antsika tahaka ny endriny Izy. Nefa isika latsaka tao anatin’ny fanandevozan’i Satana, izay masiaka sy lozabe, ka tsy maintsy „nanavotra” (izany hoe nanafaka) antsika Andriamanitra, nanefa izany lafo dia lafo tamin’ny „ra soan’i Kristy” (1 Petera 1:19) ! Ny sarobidy indrindra taminy no nomen’Andriamanitra antsika, dia ny Zanany malalany. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nitondra ny fahotantsika sy nanolotra ny ainy, nisolo toerana antsika, nanefa sarany lafo aoka izany, hanavotany antsika. Isika ve rehefa mieritreritra izay rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika, mba tonga saina amin’ny hasarobidintsika eo imasony ? Dia ahoana àry no hahafahantsika hanao tsinontsinona ny famelan-keloka omeny maimaimpoana antsika ?