Alatsinainy 1 Desambra 2025

Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga ; aza manome ahy alahelo na harena ; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy ; fandrao, raha voky aho, dia handà ka hanao hoe : Iza moa Jehovah ? Ary andrao… hanamavo ny anaran’Andriamanitro. Ohabolana 30:8-9

 

Ireo manankarena sy ireo mahantra, araka ny bokin’ny Ohabolana (5)

Fahatsorana, fahafaham-po, ary fahalalahan-tanana

Mety manimba antsika ny vola, rehefa manana isika, nefa koa rehefa tsy manana. Ny mahantra dia alaim-panahy hanao zava-mahameloka mba hahazo vola miditra. Matetika voailika tsy ara-drariny izy ireny, tsy hanan-jara amin’ny firoboroboana ara-toekarena, ka mety hahatsapa faniriana —ara-drariny aminy- hahazo „ny anjara mofomaminy”, amina fomba tsy ara-dalàna sy an-kerisetra.

Ny Tompo dia miresaka „hanina sahaza” (Matio 6:11), ary ny apostoly Paoly mampahatsiahy ny „fianinana” amin’ny hanina sy ny fitafiana (1 Timoty 6:6-8), mifandraika amina fiaina tsotsotra. Ny kristiana ve izany tokony hiala amin’izay rehetra hahatonga azy hanana fiaina mihoatra noho ny tsotra ? Tsy voatery, satria isika mila kristiana eo amin’ny fari-piainana sy seha-piarahamonina rehetra. Nefa ny tranontsika, ny fitafiantsika, ny fomba fiainantsika, dia tokony hahitana taratra fahononan-tena, eo anivon’ny tontolo manodidina antsika, sy hahafahantsika ho malala-tanana. Ny fandraisana ny harena sy ny fananana ho fitaovana hanampiana ny hafa, dia toe-tsaina kristiana mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Miaina am-pahononan-tena ve isika, ao amin’ny faritra onenantsika ? mba ho afaka maheho izay fahalalahan-tanana lehibe indrindra azo atao.

— Tompo ô, aza avela hihevitra ny fananako ho harenako manokana aho, na ny fifandraisako aminao ho fomba hahazoako tombontsoa ara-karena. Tariho kosa ny foko hanao Anao ho harenako sarobidy indrindra, sy hihevitra ny fananako ho amin’ny fanompoana Anao.

(amin’ny heriny ny tohiny)