Alahady 30 Novambra 2025
Ary rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe : Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?… Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:13-16
Tamin’ny andron’i Jesosy, Kaisaria-filipo dia tanàna tsara tarehy tany Israely, natokana ho an’ny amperora romana. Ny anaran’io tanàna io, araka izany, dia mampahatsiahy fa nisy firenena vahiny nanapaka ny Jiosy. Tao amin’io tanàna io Jesosy no nanontany ny mpianany hoe :
— „Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?”
Heken’ny olona ho ny Kristy ve Izy ? ho Ilay Mesia nampanantenaina hanafaka ny olony sy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida. Asehon’ireo valinteny fa ny mpiara-belona tamin’i Jesosy dia nametraka Azy hitovy lenta amin’ny mpaminany lehibe teo amin’ny tantarany.
Avy eo Jesosy dia nametraka mivantana tamin’ny mpianany ilay fanontaniana lehibe :
— Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ?
Tsy ho nanana havaly izy ireo, raha tsy Ilay Andriamanitra Ray no nampahafantatra izany an’i Petera. Dia afaka nanambara i Petera hoe :
— Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.
Na feno fanentrentena aza ny endrika nisehoan’ny Tompony, dia fantatr’i Petera ny halehiben’i Jesosy sy ny maha Andriamanitra Azy.
Ahoana, ankehitriny, ny fandraisan’ny olona an’i Jesosy ? Ho an’ny maro Izy dia olona mpanao soa, Ilay mpanorina fivavahana namonto ny ribantsika, mpanoro fitsipi-pitondrantena lavorary. Nefa ny finoana irery ihany, miorina amin’ny fanambaran’ny Baiboly, no afaka mamantatra ny tena maha Izy Azy, dia ny Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona. Izy no Ilay nirahin’Andriamanitra ho etỳ amin’ity tontolo ity, mba hampihavana aminy ny olona mpanota. Ary Jesosy dia nanatontosa izany asa nanirahana Azy izany, tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray.
Ry mpamaky, iza moa Jesosy aminao ?