Asabotsy 29 Novambra 2025

Ny filazantsara… herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16

Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy. 2 Korintiana 10:4

 

Boky feno zavatra tsy ampoizina (2)

Nanomboka tamin’ny namakian’i Shosei sy Majan —mpirahalahy tany amina nosy iray any Japana- ny Baiboly, sy ny nizaran’izy ireo tamin’ny mpiara-monina aminy ny zava-baovao hitany tao, dia nino an’i Jesosy Kristy ny tanàna manontolo.

Tamin’ny taona 1945 dia nobaboin’ny tafika amerikana ireo nosy ireo. Maro ny mponina novonoina. Indray andro dia tonga tao amin’ny tanàna nonenan’i Shosei sy Majan ny Amerikana. Nivoaka nitsena ny miaramila izy mirahalahy, niondrika teo anatrehany, ary niarahaba azy ireo tonga soa. Talanjona ilay mpandika teny nantsoina haingana. Hoy izy nandika : „Milaza izy ireo, fa amin’ny maha kristiana antsika, dia raisina am-pitiavana lehibe isika”. Mbola tsy noraisina toy izany mihitsy ireo miaramila ireo. Nanaraka azy mirahalahy tany an-tanàna izy ireo, ary tena gaga. Madio sy tsara ireo lalana. Vitsy kely ny mpangataka, ary hita ho feno fiadanana sy faly ny mponina. Toa hafa tanteraka ity tanàna ity, tsy tahaka izay hitany tamin’ny nandrosoany hatreo…

Te hahafantatra ny anton’izany ny iray tamin’ireo manamboninahitra. Noresahina taminy ilay boky navelana misionera iray, taona vitsivitsy talohan’izao, izay nanova ny fomba fiainan’izy ireo. Ankehitriny ny tanàna manontolo dia miaina araka ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Rehefa nanao tatitra ilay manamboninahitra dia nanampy teny mampieritreritra hoe : „Mety ho tsy mampiasa ny fitaovam-piadiana tandrify ve isika, hanovana izao tontolo izao ?”

Ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, dia boky mirakitra zava-tsy ampoizina tokoa, manova ao amin’ny fo sy ao amin’ny fomba fiaina, ireo mamaky sy mino azy.

(tapitra)