Zoma 28 Novambra 2025
Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:8
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika. 1 Jaona 3:23
Aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. 1 Jaona 3:18
Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 dia tonga tany amina nosy iray any Japana ity misionera. Tao izy dia nifanena tamina mpirahalahy, i Shosei sy Majan, tao amina tanàna kely iray, ary nanolotra Baiboly ho azy ireo.
Dia nanomboka namaky azy io izy mirahalahy. Indray maraina dia hoy i Shosei tamin’ny rahalahiny : „Feno zavatra tsy ampoizina ity boky ity ! Voasoratra ato fa tokony hanana fitiavana isika, ary tokony hifanompo. Ndao isika hanomboka hiaina araka ireo fihevitra ireo, dieny anio.”
Andro vitsivitsy nanaraka izany dia nisy mpangataka nandalo. Nasain-dry zareo nandroso tao an-tranony izy, ary nomeny zavatra hohaniny. Koa satria gaga io lehilahy io, dia nanazava izy ireo hoe : „Eo am-pamakiana boky iray izahay, miresaka aminay momba Ilay Andriamanitra fitiavana, Izay tahaka Ray ho antsika. Tsy misy iriny ho antsika afa-tsy izay tsara. Nirahiny Jesosy Kristy Zanany mba hamonjy antsika amin’ny fahotantsika.”
Naniry handre bebe kokoa momba izany ilay mpangataka, ary nanomboka tamin’izay dia nipetraka teo am-baravaran’ny trano bongon’izy mirahalahy, mba hihaino azy ireo mamaky ilay boky. Nisy olona hafa nankeo koa, ary tsy ela dia nanjary mpihaino maro no vory. Maro tamin’izy ireo no nahatakatra izay novakina, ary nihanitombo isa ny mponina nanapa-kevitra hanara-dia an’i Jesosy Kristy. Niova tsikelikely ny rivotra niainana tao an-tanàna : nisy fanao nahazatra taloha, tsy hita intsony, ary nilaozan’izy ireo ny fivavahany fahiny. Nifanampy ankehitriny ny olona, ary mahalana no mbola nisy ady nitranga.
(hitohy)