Alakamisy 27 Novambra 2025

Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina — fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa : Miambena. Marka 13:35-37

 

Tonga misasakalina ny Tompo

Tonga misasakalina ny Tompo : Tony sy mangina ny zava-drehetra. Sambatra izay efa niomana, miandry Ny fiverenany azo antoka.

 

Ambarany antsika fa hiverina Izy, Nefa tsy misy mahafantatra hoe rahoviana ; Tsy maintsy tsarovana tsara anefa izany, Satria ho avy tsy mampilaza Izy.

 

Mahatoky ve ianao ao an-tranony ? Miandry ny fiverenany ve ? Hanontaniany anao ny anton’izany : Vonona ho amin’izany ve ianao ?

 

Nitia ve ianao ? nanome ve ? Nizara ve ? namela heloka ve ? Voaomana ve ny fanilonao ? Mirehitra ve ny jironao ?

 

Ry foko, aoka ianao ho mailo mandrakariva, Miambena ary aza matory ! Mivonòna amin’ny fiverenan’ny Tompo, Ilay Mahery sy Mpandresy !

 

Lehibe ny anjaranao eo anilan’Andriamanitra ; Ny Fanjakan’ny lanitra Dia mivoha ho anao : dieny androany Ianao dia manana ny aina, amin’ny alalan’i Kristy.

 

Tonga misasakalina ny Tompoko ; Tony sy mangina ny zava-drehetra. Sambatra aho, efa niomana, miandry Azy, Matoky, mahazo antoka, tony.
Yves Kéler