Alarobia 26 Novambra 2025
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha. 1 Tesaloniana 4:16
Ary hitako fa, indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny… Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana. Apokalypsy 20:11-12
Ny „Père-Lachaise”, ao Paris, no toeram-pandevenana maro mpitsidika indrindra maneran-tany. Toerana midadasika fampitombenan-tsaina izy io, nefa koa toerana mirakitra kolontsaina sy tantara, satria maro ny olo-malaza milevina ao : mpanoratra, mpanakanto, olom-panjakana, mpanohitra, sns. Fasana lehibe mirenty, sary vongana mampiseho ny tapany ambony amin’ny olona, soratra fankalazana… izany no mampahatsiahy ny halehiben’izy ireny fahiny. Ny fasana sasany efa naharitra roanjato taona dia rakotra voninkazo vaovao, maneho ny mbola figagan’ny olona ireny mpanakanto ireny. Nefa misy koa vatom-pasana tsotra, an’olona hadino efa hatry ny ela.
Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa ny toeram-pandevenana dia mitahiry ny vatan’ireo maty, izay sokajina ho roa karazana, ary roa ihany, dia :
— ny „maty ao amin’i Kristy” (andinin-tSoratra Masina voalohany androany). Nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny izy ireo, ka voavela ny fahotany. Tsy ho ela ny feo maherin’ny Tompo dia hamoaka ny vatany avy ao am-pasana, ary ho velona mandrakizay miaraka amin’i Jesosy any an-danitra izy ireo ;
— ireo hafa, izay nandà ny hafatra milaza ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavany, na tsy niraharaha, dia hitsangana any aoriana, mba hiseho eo anatrehan’ny „sezafiandrianana fotsy lehibe” (andinin-tSoratra Masina faharoa). Tsy maintsy hampamoahina momba ny fahotany eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Na „lehibe izy na kely”, na manan-karena na mahantra, na malaza na tsy fantatr’olona, dia hohelohina tsy ho afa-miala.
Ny manan-danja amin’Andriamanitra dia tsy ny laza imasom-bahoaka tsy akory, fa ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, „Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25).