Talata 25 Novambra 2025

Koa omeo ahy mpanomponao, saina malady hoentiko mitsara ny olonao. 1 Mpanjaka 3:9

Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3

Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162

 

Ndao hihaino Ilay Andriamanitsika

Fisaintsainana samihafa

— Zavatra tokana, sady tsotra no miharihary, no angatahin’Andriamanitra : henoina Izy.

— Ny fotoana ampiasaintsika hanatonana an’Andriamanitra sy handinihana ny Baiboly, izay Teniny, dia fotoana tena mahasoa sy ahazoana tombontsoa.

— Tsara ny mamaky isam-potoana tsy tapaka ny Baiboly, am-pifantohana, am-bavaka, am-panajana. Miteny amintsika ao amin’ny mangina Andriamanitra. Ndao hihaino Azy.

— Te hanasoa antsika Andriamanitra, nefa matetika no sahirana vao tafahaona amintsika, satria tototra asa aoka izany isika, ary tsy manana fotoana mihitsy. Tsy manana fotoana hanatonana Azy ! Tsy manana fotoana hihainoana ny feony ! Tsy manana fotoana hamahanana ny fanahintsika ! Tsy manana fotoana handraisana ny fahasoavan’Andriamanitra ! Nefa ho ana zavatra marobe tsy misy dikany isika dia mahita fotoana hatrany…

— Aza mihevitra fa ilaina ny mahatakatra ny zavatra rehetra sy ny manazava izay rehetra ao amin’ny Baiboly. Ny Soratra Masina dia tsy manam-piafarana, ary ny saintsika dia voafetra. Ndao hamaky azy am-panetrentena sy am-pinoana. Ndao hampihatra izay takatsika ; dia ny Fanahy Masina no hitari-dalana antsika tsikelikely ho amin’ny fahamarinana manontolo (Jaona 16:13).

— Arakaraka ny amakiantsika ny Baiboly no hahitantsika ireo zava-mahatalanjona ataon’Andriamanitra, sy hahafeno fifaliana ny fontsika (Salamo 119:162). Anisan’ny ho hitantsika ny maha Izy Azy mahatalanjona an’i Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra sady olona. Ndao hihaino ny teniny ao amin’ireo filazantsara. „Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46).