Alatsinainy 24 Novambra 2025
Izay manome ny malahelo, tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitampi-maso, hahazo ozona be. Ohabolana 28:27
Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy ; fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy. Ohabolana 14:31
Raha malala-tanana ny mpino iray, dia „tsy hanan-java-mahory” (Teny androany). Toy izany koa, ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia mampanantena fa raha mahafoy fananana (trano na tany) isika noho ny aminy, dia hahazo be lavitra „amin’izao andro ankehitriny izao” (Marka 10:29-31). Tsy midika tsy akory izany, hoe hihamanankarena ireo izay malala-tanana. Andriamanitra anefa tsy te hananan’ireo izay manaiky hihafy trosa, ka noho izany dia hanome azy ireo izay ilainy. Ireo mpanome ireo dia faly koa hizara ny fananany amin’ireo rahalahy sy anabaviny ao amin’ny Fiangonana, ary mampiseho amin’izany ny atao hoe fitiavana kristiana iainana. Ny fahalalahan-tanan’izy ireo dia ahazoany fitahiana, tsy voatery ho araka ny zavatry ny tany, fa fahazoana harena ara-panahy, izany hoe „rakitra any an-danitra” (Marka 10:21). Ny Fiangonana tany am-boalohany dia mampiseho amintsika ohatra miavaka momba ny fiaraha-miaina voamariky ny fifankatiavana sy ny fahalalahan-tanana, ka tsy nisy izay nanana ny tsy ampy : „Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy, na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany” (Asan’ny Apostoly 4:32).
— Tompo ô, tsy sitrakao ny hiainako tahaka mpanava-tena amin’ny maro, sady mahatonga ahy ho marefo rahateo izany. Ovay anie ny foko, ary hatanjaho ny Fiangonana, mba tena hahafahanay vahoakanao mampiseho fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namanay avokoa izahay.
(amin’ny heriny ny tohiny)