Alahady 23 Novambra 2025
Maria… hiteraka Zazalahy… ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Matio 1:20-21
Imbetsaka ny Baiboly no nilaza mialoha ny hiavian’ny Mesia sy ny hahatongavan’Andriamanitra eto an-tany, ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy. Ny mpaminany Isaia, ohatra, dia efa nanambara izany, taonjato fito mialoha ny hahaterahan’ny Kristy. Takany ny halehiben’Ilay Mpahary sy ny hamasinany ; izany no antony nampahafantaran’Andriamanitra azy singa samihafa mamaritra ny drafitra nokasainy hotanterahina, mba hamonjeny ny olombelona. Rehefa mahita isika hoe voafaritra mazava tsara ireo famianian’i Isaia, dia mitolagaga mahita ny fikarakarana manokana nataon’Andriamanitra tao amin’ireo fanambarana ny fikasany milaza fitiavana, famonjena, ary fiadanana ho antsika.
Tsy mahagaga ve ? ohatra, ny mahita fa ny anarana nosafidiny mialoha ho an’Ilay Irak’Andriamanitra, hoe Imanoela, dia midika hoe „Amintsika Andriamanitra” (Isaia 7:14). Nasongadin’Andriamanitra tamin’izany ny faniriany ho akaiky dia akaiky antsika, ho Olona eo anilan’ireo olona. Mbola hita indray io fampanantenana io ihany, ao amin’ny faran’ny Filazantsara nosoratan’i Matio : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatonga ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28:20). Ny faminaniana dia tsy filazana mialoha tsotra fotsiny na famakiana ny hoavy ; tsy izany, fa mirakitra mazava ny toetoetra fototry ny drafitr’Andriamanitra sy ny fahatanterahany ao amin’i Jesosy Kristy.
Io fihevitra io dia ho afaka hamarinina amina lahatsoratra hafa. Ny anaran’i Jesosy Kristy dia midika hoe „Jehovah no Mpamonjy”, ary hita imbetsaka ao amin’ny Testamenta Taloha io fanambarana famonjena io. Porofo izany, raha tsy maintsy nomena, porofon’ilay sitrapo maharitra sy tsy miato ao amin’Andriamanitra, hamonjy ny olona amin’ny alalan’i Jesosy Zanany, Izay nirahiny avy any an-danitra ho etỳ an-tany, mba hanatanteraka izany.