Asabotsy 22 Novambra 2025

Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino : Tiava ny fahavalonareo ; manaova soa amin’izay mankahala anareo ; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Lioka 6:27-28

Ny Fanahy Masina… no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:5

 

Aminareo izay mihaino…

Amin’ireo olona ireo no nitenenan’i Jesosy ny teny mahagaga hoe : „Tiava ny fahavalonareo ; manaova soa amin’izay mankahala anareo”. Rehefa maka ny toeran’izay mihaino an’i Jesosy isika, no ho afaka mitia ireo izay mankahala antsika, sy mivavaka ho azy ireo mihitsy aza. Ny hoe mitia ny fahavalony dia tsy hoe mamola-tena hahatsapa fihetsehampo feno fitiava-namana tsy akory, fa voalohany indrindra, manao soa azy.

Nanazava tsara izany ilay mpanoratra antsoina hoe C.S. Lewis. Nandritra ny Ady lehibe Faharoa dia noresahiny tao amin’ny Radio anglisy BBC ireo hatsaran-toetra kristiana, toy ny famelan-keloka sy ny fitiavana. Ho an’ny Anglisy tamin’izany fotoana izany dia nizara ho antoko roa izao tontolo izao : mpiara-dia sy fahavalo. Koa maro ny nihevitra fa tsy vitan’ny hoe tsy hay tanterahina fotsiny, fa tena mampitroatra mihitsy aza, ny fampianarana kristiana mangataka hitia ny fahavalon’ny tena. Notoherin’i Lewis anefa io sori-pihevitra io. Hoy izy : „Na dia mety aza ny mampirisika hanana fitiavana nentim-pahariana, dia ho fahadisoana lehibe ny mihevitra fa ny miezaka hanana fihetsehampo feno fitiavana no hany fomba hampanjary mazava fo. Tsotra ny fitsipika tokony harahina. Rehefa mitondra tena toy ny hoe tia olona iray ianao, dia hanjary tia azy rahafaka fotoana fohy. Isaky ny manao soa amin’ny namantsika mantsy isika —satria fotsiny olona noarìn’Andriamanitra ihany koa izy, tahaka antsika- sady maniry ny hahasambatra azy, toy ny aniriantsika izany ho antsika, dia mianatra ho tia azy bebe kokoa.”

Ry kristiana, ny hery ahafahantsika manao ny tsara sy mitia dia hitantsika ao amin’Andriamanitra, Izay fitiavana, hitantsika ao amin’i Jesosy Kristy, Izay nivavaka ho an’ireo nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony” (Lioka 23:34).