Zoma 21 Novambra 2025

Jehovah ô… Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Ianao no itokiako ; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko. Salamo 143:7-8

 

GPS (Fitaovana milaza ny toerana maneran-tany)

„Efa taona vitsivitsy izao no nifindra monina tsy tapaka izahay. Isaky ny mifindra dia tsy maintsy mamerina mitady ny fivarota-mofo akaiky indrindra, mahita dokotera tsy tototra be loatra… ary manaiky ny ilàna GPS indray ho an’ny fandehandehanana isanandro.

Nefa mamizana ahy izany fiovana rehetra izany, tsy zakako intsony ny tsy ahafahako indray mahita samirery ny lalana tokony halehako… Tamin’ity maraina ity, ho any am-piasako aho dia tsy nahatanty intsony : mafy loatra tamiko ny tsy maintsy andevozin’ity GPS ity, satria tsy mahavita na inona na inona aho raha tsy misy azy. Dia niteny tamin’ny Tompo aho hoe : „Hitanao, tsy zakako intsony izao fiovaovana rehetra izao, tofoka aho”. Nefa tamin’io fotoana io aho dia nahare valinteny tao an-tsaiko ao hoe : „Nefa, ry zanako, ho an’ny dia lehibe indrindra, ny dian’ny fiainana, dia tsy mila GPS ianao. Efa noraisiko an-tanana manontolo ny hiafaranao mandrakizay, mba hankahesanao any an-danitra. Jesosy Mpamonjinao manafaka sy mitari-dalana anao, koa nahoana ianao no mitaraina ?”

Nanakoako tao anatiko lalina ireo teny ireo. Marina izany, fantatro ny votoatin-javatra, ny lalana mankany an-danitra, ny hiafarako mandrakizay, ary Jesosy Kristy, mba hitarihany ahy, dia manome ny tondro zotra, ary mihoatra lavitra noho izany aza. Miara-dalana amiko isanandro Izy, ary mamatsy ahy amin’ny zavatra rehetra. Dia nisy fiadanana lehibe nanenika ahy, ary tsapako ny tombontsoa ananako noho izaho anisan’ireo mahafantatra ny lalana. Feno fankasitrahana aho no nanohy ny lalako ho any am-piasana.

Jesosy no „làlana sy fahamarinana ary fiainana”. Ary ianao izay mamaky ireto andalana ireto, fantatrao ve io lalana io ?”

(Agnès)