Alakamisy 20 Novambra 2025

Fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’izao tontolo izao… Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany… amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray… ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra. 1 Korintiana 8:4-6

 

Ilay andriamanitra maty an-drano

Voaray hianatra ao amin’ny sekolin’ny misionera tao amina tanàna mifanila amin’ny tanànany i Toukaram, tovolahy hindoa, nobeazina hanaja ireo andriamanitra ao amin’ny fivavahany. Rehefa niampita ny renirano mba hankany izy dia nahita vahoaka be sahirana nisintona zavatra avy ao anaty rano. Olona maty an-drano ve ? Tsia, fa sampy hazo nianjera tao anatin’ny renirano. Nasiana tady teo amin’ny tendany, mba tsy ho lasan’ny riaka izy. Ezaka toy inona moa no natao, hanavotana ilay andriamanitra maty an-drano !

Rehefa tonga tany an-tsekoly i Toukaram dia nitantara tamin’ireo namany vaovao kristiana ny zavatra hitany.

— Mba andriamanitra hafahafa koa izany ! hoy ireo taminy. Tsy afaka mamonjy ny tenany, na misaotra ireo nanampy azy. Andriamanitra maty izany ! Izahay, Ilay Andriamanitra velona no fantatray !

— Iza no anarany e ?

— Jehovah, Ilay Tsitoha ; Izy no Rainay.

— Aiza Izy no mitoetra ?

— Manerana ny toerana rehetra Izy : mahita sy maheno ny zavatra rehetra.

Nihaino i Toukaram ary nieritreritra. Tsikelikely teny izy dia nihanahafantatra io Andriamanitra tokana nanome ny Zanany mba hamonjy ny mpanota io. Indray andro izy dia nanambara teo anatrehan’ny sekoly manontolo fa te ho tonga kristiana.

Aza mihevitra isika fa tsy misy ireny sampy „maty” ireny eo amin’ny fiarahamonina atao hoe „kristiana” iainantsika. Tsy mila sampy hazo na vato akory, mba hanandevo antsika : misolo toerana ireny ny vola, ny laza, ny zava-pisotro mahamamo, ny zava-mahadomelina, ny fanompoana fanahy ratsy, eny fa na ny fiankinan-doha amin’ireo efijery (écrans) aza. Hoy ny apostoly Jaona, mamarana ny epistiliny : „Arovy ny tenanareo amin’ny sampy” (1 Jaona 5:21).