Alarobia 19 Novambra 2025
Niakanjo akanjom-panjakana Heroda… dia nikabary tamin’ny vahoaka. Ary ny vahoaka niantso hoe : Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona ! Ary niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy. Asan’ny Apostoly 12:21-23
Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy. Salamo 37:5
Tamin’ny nahafatesan’ilay mpilalao baolina kitra Diego Maradona, ny 25 novambra 2020, dia nisy fandaharana tamin’ny onjam-peo nanonona fehezanteny notsoahina tao amina lahatsoratra an-gazety nosoratan’i Mario Vargas tamin’ny taona 1982, taorianan’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany eo amin’ny baolina kitra izay azon’i Argentine, hoe : „Maradona dia anisan’ireny andriamanitra velona noforonin’ny olona ireny, mba hahafahany mitsaoka tena ao amin’izy ireny”.
Io fehezanteny io dia mamaritra tsara ihany ny fitsaohana ny olombelona. Ao amin’ireny fahombiazana ara-panatanjahantena, ara-tsiansa, ara-teknika na ara-toekarena ireny, ny katsahin’ny olona maro, raha ny marina, dia ny handresy lahatra ny tenany hoe tsy mila an’Andriamanitra izy ireo.
Tsy vaovao tsy akory izany fironana izany. Satana, tao an-tsaha Edena, dia efa niteny tamin’i Eva hoe : „Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Genesisy 3:5). Ary ampahatsahivin’ny andinin-tSoratra Masina androany fa i Heroda mpanjaka dia nitsaohan’ny vahoaka toy ny hoe andriamanitra.
Ny olona tsirairay dia mahatsapa, ao anatiny ao, filana lalina ny lavorary, fahamarinana, fanantenana. Nefa tsy zakany ny fijerin’Ilay Andriamanitra marina sy masina, ka aleony mamorona andriamanitra mitovy aminy, manana ny fahalemeny sy ny tsininy, mba hamaliany ny hetaheta ao anatiny.
Ireny andriamanitra ireny anefa tsy afaka hitondra ny tena fahasambarana ho azy. Na inona na inona nofinofy mety nohetsehin’i Maradona, dia tsy afaka nitondra na inona na inona ho an’ny olona izy, momba ny any ankoatra sy ny filaminan’ny fieritreretana.
Ilay tena Andriamanitra irery ihany no mahay mamaly ny hetaheta lalin’ny fo. Tsy tonga Jesosy mba hampigaga ny vahoaka, fa mba hanompo azy. Tsy tonga Izy hitady voninahitra ho Azy manokana, fa mba hanome haja an’Andriamanitra. Aza mangataka andro, fa mitokia amin’i Jesosy : na oviana na oviana Izy tsy handiso fanantenana anao.