Talata 18 Novambra 2025
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro. Salamo 139:23
Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra. Salamo 19:12
Rehefa mamily fiara, dia misy fomba roa tsy anajana jiro mena eo amina sampanan’arabe. Na ianao mijery ankavia sy ankavanana, dia minia manohy ny lalanao. Na ianao variana, dia mihoatra azy tsy nahy. Amin’ireo tranga roa ireo ianao dia tompon’andraikitra tamina fandikan-dalàna mitovy.
Toy izany indraindray, rehefa tratran’ny tsy nampoizina isika dia mamaly tsy am-piheverana, na mandà zavamisy miharihary anefa. Ao anaty fikoropahana isika, na dia tsy nieritreritra hanao zavatra ratsy aza, dia mety ho meloka nandratra namana iray, na nandainga. Afaka mandà tsy ho tompon’andraikitra isika, toy ilay mpamily fiara tsy nahita tsotra izao ny jiro telo loko, nefa dia tena misy ny fahadisoana. Ary raha tsy te hiaiky fahadisoana tsy nahy isika, noho ny avonavona, dia mety ho tena ratsy ny vokany.
Soa ihany isika fa afaka mihaino koa izay anomezana tsiny antsika sy tsy tsapatsika akory, ary avy eo mangataka an’Andriamanitsika mba hanoro izay tsy azo nekena teo amin’ny fitondrantena na tenintsika. Ndao hiteny toa an’i Davida, hoe : „Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro” (Salamo 139:23). Dia ho afaka manaiky sy miaiky an-kitsimpo io fahadisoana io isika.
Toy izany no handrosoantsika eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika, omban’ny fahazoana antoka hoe „izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo” (Ohabolana 28:13).