Alatsinainy 17 Novambra 2025
Izay manana maso miantra, hotahina, satria anomezany ho an’ny malahelo ny haniny. Ohabolana 22:9
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota ; fa endre ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory ! Ohabolana 14:21
Inona moa no fitahiana omena ny olona „manana maso miantra” ? Ny fijerena ny hafa amin’ny maso miantra sy tia manome dia miaro tsy ho tafalatsaka amin’ny faniriana feno fitiavantena sy tsy mamokatra, satria te hanana ho an’ny tena.
Ambonin’izany, ny fitahiana resahina eto dia mifandraika, voalohany indrindra, amin’ny hoe miaina amin’ny fomba hita maso ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Mahatsapa tena ho manankarena (ary mahatsapa ho tena manankarena) isika rehefa tia sy tiana. Ny maneho fahalalahan-tanana dia fihetsika mitory fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny hafa. Amin’izay ny vola dia tsy fitaovana itadiavana tombontsoa intsony, zo na sata eo amin’ny fiarahamonina, ohatra, na fahefana, fa anehoana ny fitiavantsika. Tia ny Tompo isika rehefa mihevitra ireo harenantsika ho fananany fa tsy antsika, ary mizara ireo ho ana tetikasa mahaliana fatratra Azy. Tia ny namantsika isika rehefa mampiasa ireo harenantsika mba hanasitranana sy hanarenana fiainana maro. Arakaraka ny anomezantsika eo amin’ny manodidina antsika no hanahafantsika kokoa an’i Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny ainy mihitsy, noho ny fitiavany. Ary hotahina izany fihetsika izany.
— Tompo ô, tsy misy „fitaovana itadiavana tombontsoa” tena izy sy sarobidy, afa-tsy ny fitiavana. Aza avela hanome lanja manokana ny filaminako ara-bola aho, ka hanamaivana ny fitiavana. Ampio aho mba hampiasa ny volako hitiavako ireo izay mahantra, hitiavako ireo izay tsy mahafantatra Anao, hitiavako ireo havako na ireo mpino izay sahirana ara-pivelomana.
(amin’ny heriny ny farany)