Alahady 16 Novambra 2025

Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Romana 15:33

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

 

Andriamanitry ny fiadanana

Ny olombelona voalohany dia niady tamin’ny Mpahary azy. Ambaran’ny Baiboly hoe isika dia fahavalon’Andriamanitra, fa tsy ambarany kosa, na oviana na oviana, hoe Andriamanitra dia fahavalontsika. Fony trotraky ny fahoriana nanjo azy i Joba, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe : „Nataony ho fahavalony aho” (Joba 19:11). Diso hevitra izy, ary nony farany dia niaiky ny halehiben’Andriamanitra sy ny famindrampony (Joba 42:3).

Raha ny marina, ao amin’ny Baiboly Andriamanitra dia maneho ny tenany ho Ilay Andriamanitry ny fiadanana. Nirahiny Jesosy Kristy Zanany mba hitory „teny soa mahafaly milaza fihavanana” (Efesiana 2:17). Fony teraka Izy, dia hoy ny anjely : „Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahiny” (Lioka 2:14). Jesosy anefa dia nolavin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy, na ny vahoaka izany na ny manampahefana ara-pivavahana sy ara-pôlitika. Nony farany izy rehetra dia nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana. Nohamafisin’ny olombelona tamin’izany fa fahavalon’Andriamanitra izy ireo.

Te hihavana amin’Andriamanitra ve isika ? Ampy ny mino fa Jesosy dia nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany ary nisolo toerana antsika, nizaka ny famaizana izany. „Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). Noho izany, „efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika… Fony mbola fahavalo… isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5:1, 10). Fiadanana toa inona moa no mameno ny fontsika ! rehefa mahazo antoka isika fa voavela heloka. Fiadanana fototra izany, miorina amin’ny halavorarin’ny asa nataon’i Kristy : ny fahafatesany dia nanonitra ny fahotantsika, ary ny fitsanganany velona indray dia manaporofo fa nankasitrahin’Andriamanitra ny sorona nataony.