Asabotsy 15 Novambra 2025
(Hoy Jesosy tamin’i Josefa sy ny reniny :) Nahoana no nitady Ahy ianareo ? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho ? Lioka 2:49
Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko ; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. Lioka 23:46
Tany Nazareta no nahalehibe an’i Jesosy, tao amin’ny tokantrano tsotsotran’i Josefa sy Maria. Isantaona io fianakavia na io dia mankany Jerosalema, mba hankalaza ny fetin’ny Paska. Fa tamin’ny iray tamin’ireo dia fanao isantaona ireo, rehefa roambinifolo taona Jesosy, dia nijanona tany Jerosalema fa tsy niara-niverina tamin’ny ray aman-dreniny. Afaka telo andro taorianan’ny nikarohana Azy, farany dia hitan’izy ireo Jesosy, nipetraka tao an-tempoly, nihaino sy nanontany ireo mpitarika ara-pivavahana. Nitebiteby sy nanome tsiny Azy ny ray aman-dreniny, nefa novaliany tsotra hoe : „Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho ?” Io no teny voalohany nolazainy, notaterina tamintsika : teny mamintina ny fiainan’i Jesosy manontolo, Lehilahy nanokan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra Rainy.
Tamin’ny fiafaran’ny fiainany, natokany nanaovana soa sy nanalefahana ny fijalian’ny olombelona, dia nolavin’ny mpiray tanindrazana taminy Jesosy. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, teo anelanelana jiolahy roa. Nandritra ny adiny telo dia takona ny masoandro, ary niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota Jesosy. Rehefa nifarana ireo ora mampivarahontsana ireo, dia nihiaka antsom-pandresena Izy hoe : „Vita”, ary nanonona ny teny farany hoe : „Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”. Dia nanondrika ny lohany Izy, ary niala aina…
Tontosa ny asa nankinin’ny Rainy taminy ; tamin’izay fotoana izay ihany Izy vao nametraka ny fanahiny teo ampelatanan’ny Ray.
Ny teny voalohany sy teny farany nataony dia maneho ny tanjona tokana nokendreny teo amin’ny fiainany manontolo, dia ny hanao ny sitrapon’ny Rainy sy hanatanteraka ny asa nanirahany Azy, ho famonjena ny olona mpanota.