Zoma 14 Novambra 2025
Maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra. Jaona 2:23-24
Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:29
Amin’ny alalan’ny retsi-pamantarana (ny masom-batana) no ahatsapantsika ny tontolo manodidina antsika. Afaka mikasika, mahita, manimbolo, mandre, mahalala tsiro isika. Ary mba tiantsika ny hanatona an’Andriamanitra amin’ny fomba toy izany, sy hahazo porofo mivaingana na azo tsapain-tanana avy hatrany maro kokoa. Ireo olona nifanerasera tamin’i Jesosy dia matetika nangataka famantarana sy fahagagana taminy, mba hanaporofoany amin’izy ireo ny maha avy amin’Andriamanitra Azy (Matio 12:38-39). Nanao fahagagana maro Jesosy. Nanasitrana boka mbamina olona nalemy, nampitony ny tafiodrivotra, nanangana ny maty… Izy. Ny mpianatra aza dia nanontany hoe : „Lazao aminay… izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 24:3).
Ankehitriny dia omena tsiny Andriamanitra hoe tsy manome famantarana momba ny fisiany sy tsy mamaly ireo fijaliana manjo ny zanak’olombelona. Andriamanitra anefa „tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona… fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana” (Asan’ny Apostoly 14:17). Tsia, tsy tena hoe tsy nisy tsy akory ny famantarana. Nampahatsahivin’i Jesosy tamin’ireo vavolombelona nahita ireo fahagagana nataony ny famantarana ny amin’i Jona, faminaniana momba ny tenany. Nitoetra hateloana tao an-kibon’ny hazandrano lehibe i Jona, toy ny nitoeran’i Jesosy hateloana tao an-kibon’ny tany (Matio 12:40). Izany dia miresaka amintsika ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany velona indray. Ny asa notanterahin’i Jesosy Kristy dia voarakitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. Ary miharihary amin’ny olona rehetra izany zava-nitranga ara-tantara izany. Tsy te handresy lahatra antsika amin’ny retsi-pamantarantsika Andriamanitra, fa mangataka amintsika mba hino ny teniny.