Alakamisy 13 Novambra 2025
Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe : Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Matio 28:18
Jesosy Kristy… eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery. 1 Petera 3:21-22
Resahin’ny Baiboly antsika ny fanetrentena sy ny fietren’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Noho ny fitiavany no nahatongavany tetỳ an-tany, mba hitondra fitahiana ho an’ny olona noarìny : „Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony” (2 Korintiana 8:9). Ilay Andriamanitra dia tonga olona. Fony mbola zazakely Izy dia nampandriana tanaty tavy fihinanam-bilona, satria tsy nisy toerana ho Azy tao amin’ilay tranom-bahiny. Ny magy anefa dia nanome haja Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy. Nandritra ny fiainany tetỳ an-tany Izy dia natao tsinontsinona, satria tsy nisy hatsaran-tarehy haniriana Azy (Isaia 53:2). Mpandrafitra Izy, zanaka mpandrafitra. Nefa dia talanjona ny vahoaka noho ireo fahagagana nataony sy ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany (Lioka 4:22). Ilay niaina tao anaty fahantrana, tsy nanana na inona na inona, dia Ilay Mpahary Tsitoha. Afaka nandidy trondro iray Izy, hitondra vola ho eo aminy. Nailiky ny olona Izy, naka ny toerana faran’izay mampietry, dia ny toeran’olona nohomboana teo anelanelana jiolahy roa.
Nefa „iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”, hoy ny apostoly Petera (Asan’ny Apostoly 2:36). „Izy no Tompon’izao rehetra izao” (Asan’ny Apostoly 10:36). Ny tsy mino dia tsy maintsy handohalika eo anatrehan’i Jesosy, indray andro any, ary hanaiky ny voninahiny (Filipiana 2:9-11). Ny tena mpino, eo amin’ny fiainany, dia maniry hanokana ho Azy ny toerana maha Tompo Azy.
Toerana manao ahoana no omentsika Azy ?