Alarobia 12 Novambra 2025

(Hoy Jesosy :) Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka (ny tena mpitsaoka) hivavaka amin’ny Ray (hitsaoka ny Ray) amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy (mpitsaoka Azy) ho tahaka izany. Jaona 4:23

Anao, Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana. 1 Tantara 29:11

 

Avonavona hoe ?

Teraka tao anaty ankohonana kristiana i Claire. Nahare resaka momba an’Andriamanitra izy tao an-tranony, ary namonjy fotoam-pivavahana miaraka amin’ny ray aman-dreniny isaky ny alahady. Any dia misy kristiana mitsaoka an’Andriamanitra Ray amina vavaka sy hira fiderana.

Nanomboka fotoana vitsivitsy anefa izay, dia nisy zavatra nanakorontana ny sainy. Niteny taminy matetika ny reniny hoe ny avonavona dia fahotana. Ny Tompo Jesosy dia „tsy miavona am-po” (Matio 11:29). Mifanohitra amin’izany, ny devoly dia te hanandra-tena hitovy amin’Andriamanitra. Ny avonavona dia „fahamelohan’ny devoly” (1 Timoty 3:6).

Andriamanitra anefa dia te hitsaohana, ary mitady mpitsaoka mihitsy aza Izy… Ho miavona ve izany Andriamanitra ? Fanontaniana manahirana, ary tsy tokony hapetraka akory aza.

Indray andro anefa i Claire dia nanapa-kevitra hanontany an-dreniny, izay nanome hevitra azy hitady ny famaritana ny teny hoe „avonavona” ao amin’ny rakibolana : „fahatsapana tafahoatra ny lanjan’ny tena, fiheveran-tena be loatra hoe mendrika, fiheverana mametra-tena ho ambony noho ny hafa” (Rakibolana Larousse).

Hoy ny reniny nanohy : — Koa hitanao izany fa ny avonavona dia faritana mitaha amin’ny hafa. Mihevitra ny tena ho lehibe kokoa noho izay tena izy, mametra-tena ho ambonin’ny hafa. Nefa Andriamanitra no „Avo Indrindra”, „ny Tsitoha”, „tsy hita lany ny fahalalany” (Genesisy 14:22 ; Salamo 91:1 ; 147:5).

Amin’Ilay Andriamanitra nahary antsika rehetra, dia tsy misy heviny io resaka avonavona io. Ahoana moa no hahafahan’Ilay lehibe indrindra hisandratra ambony kokoa noho izay efa maha Izy Azy ? Noho izany, Andriamanitra tokoa, ary Izy irery ihany, no mendrika ny fideran’ny voariny manontolo !

Jesosy, Izay Andriamanitra tonga olona, dia niteny hoe : „Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany…” (Matio 11:25).