Talata 11 Novambra 2025

Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra. Romana 3:22-23

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

 

Tsy misy hafa

Vao zaza isika dia efa te hanohatra ny tenantsika amin’ny hafa. Mihevitra ny tenany ho hafa ny tsirairay, ary matetika amina fisainana hoe ambony kokoa noho ny hafa. Nefa Andriamanitra dia te hampianatra antsika hanana fijery mahitsy. Tsy hoe : iza aho ? miohatra amin’Ianona na Ianona, fa hoe : iza aho ? eo anatrehan’Andriamanitra. Hoy Izy amintsika, ao amin’ny Baiboly :

— „Tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy” (Romana 10:12) : Andriamanitra dia mandray ireo rehetra mitodika aminy.

— „Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” (Romana 10:13). Tsy misy fahasamihafana, momba ny famonjena.

— „Tsy misy fizahan-tavan’olona, amin’Andriamanitra” (Romana 2:11) : tsy miangatra.

— „Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao” : mahatratra ny zanak’olombelona rehetra ny fitiavan’Andriamanitra.

Nefa mampivarahontsana sady tsy azo ihodivirana ny fanambaran’Andriamanitra hoe :

— „Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:22-23).

Toy izany no fahitan’Andriamanitra antsika, ara-toe-panahy. Ndao hanaiky ny didim-pitsaran’Andriamanitra, milaza fa mpanota aho.

Jesosy, „Izay tsy nahalala ota dia efa nataony (nataon’Andriamanitra) ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5:21). Ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy dia tsy hitan’Andriamanitra intsony hoe „mpanota”, fa olona marina sy toy ny mifamatotra amin’i Kristy. Ary „izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Tsy misy hafa, fa izay rehetra miaiky hoe mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, ary mino ny Tompo Jesosy, dia zanak’Andriamanitra, vavolombelon’i Jesosy Kristy etỳ an-tany.