Alatsinainy 10 Novambra 2025
Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany ; ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany. Izay manisy soa olona hohatavezina ; ary izay mandena dia mba holemana kosa. Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ny olona ; fa saotra no ho amin’ny lohan’izay mivarotra. Ohabolana 11:24-26
Ny lahatsoratra androany dia manambara fa arakaraka ny izarantsika ny harenantsika no hanangonantsika be kokoa ; mifanohitra amin’izany, arakaraka ny ihazonantsika azy io ho antsika, noho ny fitiavan-tena, no hahalanilany foana azy. Ahoana no hahatonga izany ? Misy ohatra iray tsoahina avy amin’ny fambolena, manampy antsika hahatakatra io fifanoherana io : arakaraka ny amafazana voa betsaka no hijinjana betsaka ihany koa. Ambonin’izany, ny voa kely afafy dia miova ho vokatra betsaka azo jifaina sy amidy. Toy izany koa, takatra fa ny vola dia voa afafy, ary ny hany fomba hanovana azy ho tena harena dia ny fanomezana azy betsaka (jereo 2 Korintiana 9:6).
Tsy midika tsy akory izany hoe arakaraka ny anomezantsika no hahazoantsika vola be. Raha ny marina, dia izay omentsika am-pahendrena mba hanampiana ny mpiara-belona amintsika, ary indrindra ny mpino, ao anatin’ny fahasahiranany, tsy ara-karena ihany fa ara-panahy koa, dia miteraka harena tena izy : fiainana voaova ho an’ny hafa sy fahasalamana ara-panahy tsara kokoa ho antsika. Handeha ihany koa isika hanaraka ny dian’Ilay nanome antsika ny zavatra rehetra, anisan’izany ny ainy, mba hampanatonany antsika Azy.
— Ry Tompo Jesosy ! izay rehetra nomenao tamin’ny nahafatesanao teo amin’ny hazofijaliana dia nitarika ho amin’ny fitsanganana velona indray sy ny fiainana, ary nanome tombony lehibe izaitsizy ho anay. Omeo ahy ny finoana mba hanarahako ny dianao, mba hahaizako manome amin’izay ananako, ary koa mba hanomezako amin’ny fotoanako ho an’ny hafa. Amin’izay aho dia ho afaka mahita ny fahasoavanao sy ny ainao hitombo ao amin’ireo manodidina ahy.
(amin’ny heriny ny tohiny)