Alahady 9 Novambra 2025

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18

 

„Ho an’izay andriamanitra tsy fantatra”

Ny Grika dia nisokitra io teny io teo amina alitara iray tany Atena, ampoizina ho teo amin’ny Akrôpôlisy, havoana nahitana tsangambato sy trano natokana ho an’ny andriamanitra maron’izy ireo. Natahotra izy ireo sao nisy andriamanitra hadino, ka nanampy io „andriamanitra tsy fantatra” io, ary nanome haja azy, na dia tsy nahafantatra azy aza. Nahita io alitara io ny apostoly Paoly, ka nanambara tamin’izy ireo hoe : „Izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo” (Asan’ny Apostoly 17:23). Nasehony azy ireo Ilay Andriamanitra Izay naneho ny tenany, ary izany dia tamin’ny alalan’ny Zanany Lahitokana tonga tetỳ an-tany, mba hamonjy antsika. „Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany… dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany” (Hebreo 1:1-2). Ny dikateny marina kokoa dia hoe : „Andriamanitra dia niteny tamintsika tamin’ny fiteny Zanaka”, ilazana hoe Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no fiteny nampiasainy mba hitenenany amintsika.

Nangataka tamin’i Jesosy i Filipo mpianany hoe : „Asehoy anay ny Ray”, dia novaliny hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:8-9) ; ambarany mazava amin’izany fa amin’ny alalany no ahafahantsika mahafantatra an’Andriamanitra. Ny hoe manaiky ny Filazantsara dia midika hoe mandray ny fanambarana Ilay Andriamanitra tsy te hitoetra ho tsy fantatra, fa te hampahafantatra ny tenany ao amin’i Jesosy, amin’ny alalan’ny Teniny.

Mampitsiky anao angamba io sokitra amina alitara fahagola io. Nefa amin’izao taona 2025 izy io dia mametraka aminao ny fanontaniana hoe : Andriamanitra ve, aminao, dia Andriamanitra tsy fantatra, sa mifanohitra amin’izany, Andriamanitra fantatrao manokana ? Te haneho ny tenany aminao Izy, manatòna Azy amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesosy.