Asabotsy 8 Novambra 2025

Miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:14

 

Ny finoan’ny apostoly Paoly (2)

Mosesy dia nihevitra ny famalian-tsoa nampanantenain’Andriamanitra, nahita Ilay tsy hita maso, ary izany no nampaharisika azy. Toy izany koa, ny apostoly Paoly dia nilaza hoe : „Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy” (Filipiana 3:8).

Taloha, ny apostoly Paoly dia i Saoly avy any Tarsosy, lehilahy mpivavaka tena nafana fo. Tahaka an’i Mosesy tany an-dapan’ny Farao, dia nahazo fanabeazana tena tsara izy, ka afaka nikendry asa ambony. Indray andro, teny an-dalana mba hanenjika ny kristiana i Saoly no nisehoan’i Jesosy tao anaty hazavana nahajambena. Lavo tamin’ny tany i Saoly, ka rehefa nitsangana dia niova tanteraka. Ilay mpivavaka nafana fo izaitsizy dia nanjary mpianatra feno fanetrentena. Tsy hiala ao an-tsainy ny fahatsiarovana io fahitana io, ary hanova tanteraka ny fizotran’ny fiainany, ny fijeriny ny fiainany lasa, ary ny fanombanany ny zavatra misy. Nanomboka teo i Paoly dia nisafidy ny hiray amin’ireo kristiana nenjehina sy natao tsinontsinona. Nafoiny ireo tombontsoany fahiny ary nataony ho „taimboraka” (fako) ! Mosesy dia „nijery ny famalian-tsoa”, ary Paoly niezaka „hanatratra ny marika”, mba hahazoany „ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony”. Ny safidin’izy ireo dia nifamatotra tamin’ny finoany an’Andriamanitra : ny fahatsinjovan’izy ireo dia tany ambadiky ny fiainany eto an-tany, ary nibanjina ny tsy hita maso izy ireo.

Ry kristiana namana, mba hanahafana finoana toy izany, dia ndao hampitodika fijery amin’Ilay tsy hita maso, amin’i Jesosy, Ilay tanjona. Izy no hitarika ireo safidintsika sy ny fomba fiainantsika !

(tapitra)