Zoma 7 Novambra 2025

Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

 

Ny finoan’i Mosesy (1)

Nofintinina toy izao ny fiainan’olona iray : „Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy —nifidy izy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra, toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zavatsoan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. Finoana no… tsy natahorany… fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy” (Hebreo 11:24-27).

Mosesy dia anisan’ny vahoaka hebreo, nafindra monina tany Egypta tamin’izany vanimpotoana izany, ary nampahorin’ny Farao. Voavotra tsy maty i Mosesy zazakely, noho ny finoan’ny ray aman-dreniny. Noraisin’ny zanakavavin’ny Farao tamin’ny fomba nahagaga izy, nihalehibe tao amin’ny lapan’ilay nanandevo ny vahoakan’Andriamanitra. Koa tsara toerana izy mba hiady ho an’ny vahoakany (Eksodosy 2:1-10).

Nefa nandà izany toerana nampitsiriritra izany i Mosesy. Tia Ilay Andriamaniny sy ny fireneny izy, ka noho ny finoana dia nisafidy hiara-mizaka ny fanambaniana sy ny fjaliana, toy izay hijanona ao an-dapa, hanararaotra ireo fahafinaretana mandalo sy meloka. Nahoana izy no nanao izany safidy izany ? Nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho tena harena izy, nohariny tamin’ny harenan’i Egypta !

Ary io fanombanany io dia vokatry ny tanjona efa tsinjony sahady : nijery ny famalian-tsoa izy, famaliana atokan’Ilay Andriamanitra mahatoky ho an’ireo izay mazoto mitady Azy (Hebreo 11:6).

Mosesy dia nibanjina ny any ambadiky ny toejavatra teo amin’izao fiainana izao. Nifahatra izy, tao anatin’reo fitsapana vokatry ny safidiny sy ny fandavany, satria nahita Ilay tsy hita maso, dia Andriamanitra mihitsy.

(hitohy rahampitso)